Tsy ankijanona ny fitetezam-paritra amin’ny fampielezan-kevitra tanterahan’ny kandida Robinson Jean Louis, natolotry ny antoko Avana ary tohanan’ny ankolafy amin’ny fifidianana filoham-pirenena hatao ny 25 oktobra izao.
Nihaona tamin’ny vahoakan’Ambatoboeny, Maevatanana, Namakia, ary Mahajanga izy ireo omaly zoma 11 oktobra. Tsy misy fizarana t-shirt na vola tahaka ny ataon’ny hafa kanefa vory marobe hatrany ireo olom-pirenena tonga taona tamin’ireo toerana izay nolalovany, eny fa na ireo lazaina fa maro an’isa nangina aza, liana te hahita mivantana an’i Neny sy te haheno ny filoha Ravalomanana izay tsy mitsahatra miditra mivantana amin’ny antso an-telefaonina tamin’izay toerana nanaovan’ny kandida Robinson Jean Louis fampielezan-kevitra. Atoa Marc Ravalomanana izay dia nanamafy hatrany tamin’ny vahoaka ny antony anohanany ny kandida Robinson. “Efa niara-niasa tamiko tao anatin’ny governemanta izy, ka fantatro tsara fa izy no hahavita azy”, hoy izy. Nanentana ny vahoaka izy hifidy ny kandida Robinson. Tongava daholo mifidy, entano ny manodidina hifidy amin’ny 25 oktobra izao.
Tao Namakia manokana dia nambaran’ny filoha Ravalomanana fa hojerena ny lafiny fampianarana sy ny mpampianatra, hohatsaraina ary hampitomboina ny tobim-pahasalamana satria mijaly ny vahoaka. I Neny kosa dia namerimberina tamin’ny vahoaka fa manana vahoaka hendry isika, ka noho izany dia entintsika am-bavaka ny kandidantsika. Mivavaha ka aza mitsahatra, hoy i Neny fa ny vavaka no manova zavatra. Ny kandida Robinson kosa dia nanambara fa tsy avela hisy fery vaovao intsony eto amin’ny firenena. Tonga aho hitsabo ny firenena, hoy izy. Tsy mitsahatra hatrany ihany koa ny tenany ny manazava ny vahoaka ny fandaharan’asany entina hampandrosoana ny firenena. Tao Ambatoboeny dia nampanantena ity kandida laharana faha-33 amin’ny bileta tokana fa hananganana orinasa manamboatra voatabia hahafahan’ny tanora miasa. Tao Maevatanana indray dia nambarany fa hakarina ny vidin’ny volamena mba hahafan’ny mponina mivelona sy miaina. Filaharam-be narahina horakora-pifaliana niainga teny amin’ny seranam-piaramanidina Amborovy ka hatrao amin’ny toerana nanatanterahana ny hetsika no nitsenan’ny vahoaka ny kandida Robinson niaraka tamin’i Neny sy ireo mpiaradia aminy tao Mahajanga namaranana ny fampielezan-kevitra omaly.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.