Hifanatri-tava amin’ny vahoakan’i Toamasina amin’ity faran’ny herinandro ity ny Dr Robinson Jean Louis izay kandida tohanan’ny ankolafy Ravalomanana amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Mandritra izany no hilazany ny vaovao sy ny fandaharan’asany ary hihaonany manokana amin’ireo Zanak’i Dada sy ankolafy Ravalomanana eo an-tokotanin’ny Magro Tanambao V. Omaly tolakandro dia efa nanomboka ny fanentanana samy hafa ho fampahafantarana izany tao Toamasina, izay nahaliana ny olona sy iandrasan’ny vahoakan’i Toamasina ihany koa. Ireo olona sendra ny mpanao gazety dia nilaza avokoa fa “Dr Jean Louis ilay ‘favori’, ary tena mpitsabo hanasitrana an’i Madagasikara amin’izao krizy novolena nambotriana azy tao anatin’ny efa-taona sy tapany mahery izao”.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.