«Dr Robinson Jean Louis irery no azo antoka amin’ireo kandidà ireo», hoy Atoa Andriamampianina raha naneho hevitra manoloana ny firosoana any amin’ny fifidianana. Ireo kandida ambiny, hoy izy, dia na tafiditra avokoa tamin’izao tetezamita nambotry vahoaka izao, na vao teo no niala. Ny fifidianana ny iray amin’ireo, hoy Atoa Andriamampianina dia mbola fanohizana hatrany ny famotehana an’i Madagasikara. Manoloana ireo savorovoro izay ahiana hiteraka tsy fahatanterahan’ny fifidianana dia nambarany fa matoky ny CENI-T ny tenany amin’ny ahatanterahan’izany am-pilaminana. Efa aparitaka any amin’ireo Distrika ny biletà tokana amin’izao fotoana, midika izany fa hisy ny fifidianana.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.