Dr Ratefinanahary Emile

> Taratry ny fitiavan-tanindrazana ny fanapahan-kevitry ny CES


  • Alarobia 21 Aogositra 2013


Iny fanapahan-kevitry ny CES na Fitsarana manokana misahana ny fifidianana iny no ahitana marina ireo tena tia tanindrazana, hoy ny Dr Ratefinanahary Emile na i Vazaha, ka tokony hahatsapa tena sy hahafantatra ny hataony ity izay voakasika mba ho tombontsoan’ny daholobe hahafahana mamaha ny krizy eto amin’ny firenena. Amin’ity mpikambana taloha tao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ity dia nahavita be ireo CES vaovao namoaka iny fanapahan-kevitra iny. Ireo teo aloha, hoy izy na dia mpitsara madiodio aza dia sahy nandray fanapahan-kevitra politika tsy nitsara araka ny lalàna velona ka mendrika ny hosaziana satria nampisavorovoro fotsiny fa tsy nahatafita ny fifidianana akory. Ho an’i Vazaha dia misy amin’ireo kandida tohanany no voailika tsy afaka ny hilatsaka mitovy amin’izy valo mianadahy mianaka. Tsy mitabataba anefa izy ireo, hoy ihany izy, satria mijery sy miaro ny tombontsoan’ny vahoaka maro an’isa ka tokony hanaiky ny rehetra.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT