Ny filoham-pirenena izay voafidy ara-dalàna no tompon’andraikitra nomen’ny vahoaka fahefana handamina ny firenena, hoy ny Dr Randriamiharisoa Joseph minisitry ny tontolo iainana teo aloha
Marina fa tsy milamina ny eto amintsika nefa misy fepetra azo raisina haingana ihany raha ny fijeriko azy, hoy ity mpanao politika ity. Mila fandaminana politika mazava hotanterahina isika, mila halamina haingana ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara. Nahoana moa no tsy afaka mampiantso an’ireo mpanao politika hifampiresaka sy hifandamina ny filoham-pirenena ? Tokony hojerena ny fodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ireo sesitany any ivelany rehetra. Teny fohy monja anie dia mivoaka ireo gadra politika mbola any am-ponja ary misokatra ireo haino aman-jery nakatona ka inona no tsy hanaovana izany ? Mbola resaka politika koa izany, tahaka ny fandaminana ireo andrim-panjakana tsy milamindamina ihany koa. Tena maika sy mila hatao ireo voatanisa ireo, hoy ity dokotera mpanao politika ity, tsy mila angatahana andro mihitsy fa mahatonga ny fiarahamonina Malagasy hihisatra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.