Tsy vitan’ny antoko HVM irery ny fitantanana ity firenena ity, hoy ny Dr Randriamiarisoa Joseph mpanao politika fa mila ny fifanomezan-tanan’ny mpanao politika rehetra na iza na iza eto Madagasikara toy ny TIM, Mapar, Arema, UNDD, MMM, MFM, AKFM, MFM …
Miantso ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny tenako, hoy izy, mba hiantso ny rehetra tsy an-kanavaka fa izy no manana ny “légimité” afaka hampivondrona ireo hery rehetra ireo ankehitriny. Ambarako etoana fa tompon’andraikitra voalohany amin’ny tsy fandehanan-draharaha eto amin’ny firenena ankehitriny toy ny tsy fisian’ny fandriampahalemana manerana ny Nosy ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, ny filohan’ny Antenimierandoholona, Honoré Rakotomanana ary ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Jean Max Rakotomamonjy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.