Miaina ao anatin’ny savorovoro sy disadisa politika tanteraka ny firenena Malagasy ankehitriny ka tsy mbola fotoana tokony hanatanterahana fifidianana ny fotoana tahaka izao, hoy ny dokotera Randriamiarisoa Joseph, raha nilaza ny heviny momba ny toe-draharaham-pirenena ny tenany.
Nahitsy ny fiteniny nilaza fa tsy ny firosoana amin’ny latsa-bato mihitsy no vahaolana hitondra filaminana ho an’ny vahoaka Malagasy. Ny ala olana ho an’ity minisitry ny tontolo iainana teo aloha ity dia tsy misy afa-tsy ny fifampiresahana eo amin’ny samy Malagasy ihany izay hany lalan-tokana mitondra any amin’ny filaminana fahizay. Ho azy dia tsy nahagaga azy loatra ny fanazavan-kevitra nataon’ny profesora Zafy Albert mikasika ny fomba fijeriny ny zava-misy eto amintsika amin’izao fotoana izao. Ny ankolafy Zafy rahateo, hoy ny mpanao politika Randriamiarisoa Joseph, dia mazava hatrany am-boalohany ny foto-kevitra ijoroany dia ny hoe : fametrahana ny tena demokrasia, firosoana amin’ny tena fampihavanam-pirenena ary fanatontosana fitsapan-kevi-bahoaka mialoha ny hidirana amin’ireo sokajim-pifidianana maro samihafa dia ny fametrahana ireo rafitra miavaka tsara amin’ny fitantanana ny fanjakana.
Raha momba ny dian’ireo delegasiona avy amin’ny ankolafy Ravalomanana any Afrika Atsimo indray dia mahita ny dokotera Randriamiarisoa Joseph fa efa miaina tokoa ao anatin’ny demokrasia ity firehana ity izay tena zava-dehibe tokoa eo amin’ny lafiny ara-politika. Fanapahan-kevitra goavana rahateo no horaisina ka rariny sy hitsiny, hoy izy, ny fifampidinihana sy fifandresen-dahatra eo amin’ireo mpikambana izay mandrafitra ity ankolafy ity. Tokony hanao toy izany daholo, araka ny heviny, ireo antoko rehetra izay mieritreritra ny tena vahaolana maharitra ho an’ny firenena. Aminy dia tsy hitany mihitsy ny maharatsy ilay fihaonana eo amin’izy efatra mirahalahy mianaka filoham-panjakana ankoatra ny fangalana ny hevitr’ireo mpitarika antoko politika sy ireo hery velona misy eto Madagasikara.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.