Hisokatra afaka telo herinandro ny fametrahana antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho filoham-pirenena voalohan’ny Repoblika faha-4. Mifamahofaho be ihany anefa ny resaka, ary maro ny adihevitra. Misy ny mbola be ahiahy, manana ny heviny ny Dr Randriamiandrisoa Joseph, minisitry ny tontolo iainana sy ny ala teo aloha, mpikambana ao amin’ny ankolafy Zafy Albert.
Tia Tanindrazana (TT) : Ny hevitrao sy ny ankolafy Zafy manoloana ny fifidianana ?
Randriamiandrisoa Joseph (Dr Joseph) : Lehiben’ny demokrasia ny ankolafy Zafy ka tsy handa fifidianana. Mitaky fifidianana madio sy eken’ny rehetra kosa anefa izahay. Tsy maintsy misy fifanarahana mazava tsara sy filaminana anefa vao azo tanterahana izany. Feno ve ireo fepetra ireo ankehitriny sa mbola mifandrirotra isika ?
TT : Te hilaza ve ianao fa tsy mbola fotoana tokony hanatontosana fifidianana izao ?
Dr Joseph : Ireo no fepetra tsy maintsy voriana raha te hanao fifidianana madio sy eken’ny rehetra isika. Izaho dia mahita fa tsy mbola feno ireo fepetra ireo. Raha ohatra anefa isika hisisika hanao fifidianana ihany dia fifidianana kitoatoa izany no hatao.
TT : Ahoana anefa no ahatongavana amin’izay fifanarahana izay nefa ianareo ao amin’ny ankolafy Zafy aza sady mivoaka no miditra ?
Dr Joseph : Raha mivoaka miditra araka ny ambaranao ny ankolafy Zafy dia anjaran’ny tomponandraikitry ny tetezamita no mitady ny fomba tsy hisian’izay. Nitady marimaritra iraisan’ny mpanao politika anie no asan’ny praiminisitra Razanamasy tamin’ny taona 1991 ka nampisy ireny fivoriana “Mahambo 1” sy “Mahambo 2” ireny. Variana sy lany andro isika miady hevitra momba ny andininy faha-16 sy faha-20 ao amin’ny tondrozotra nefa ilay diniky ny samy Malagasy voalaza ao amin’ny andininy voalohany tsy raharahaina. Andao tanterahana io hitadiavana fitoniana e !
TT : Miresaka fitoniana ianao, manolo-tanana ny FFM hoe ny profesora Zafy Albert no atao filohany nefa ianareo toa malailay fonosana ?
Dr Joseph : Singa iray ihany ny FMM amin’ny resaka fampihavanam-pirenena fa ny fitondrana tetezamita sy ireo mpanao sonia ny tondrozotra iray manontolo no miara-manapa-kevitra momba izany amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany azy ireo.
TT : Mikononkonona lalàmpanorenana vaovao ianareo. Inona tsara ilay izy dia inona koa no tiana ahatongavana ?
Dr Joseph : Tsy mankato iny lalàmpanorenana nofidiana tamin’ny novambra 2010 ny ankolafy Zafy hatramin’izao ary tsy izy irery fa maro koa ireo mpanao politika miray hevitra aminy. Torak’izany koa ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Manaraka ny lojikany hatrany ny Pr Zafy Albert raha nilaza fa tokony manao lalampanorenana roa isika dia ny federaly sy ny fanjakana tokana “Etat unitaire”. Anjaran’ny vahoaka no misafidy izay tiany.
TT : Lalàmpanorenana federaly ve izany ilay izy ?
Dr Joseph : Ny hevi-dehibe mahatonga anay hiaraka ao anatin’ny ankolafy Zafy dia ny faharesen-dahatra fa ilaina ny fanapariaham-pahefana sy ny fitsinjaram-pahefana marina. Tsy mampandroso mihitsy ny fivangongoan’ny fahefana aty amin’ny foibe. Misy ny fahefana sasany izay iandraiketan’ny foibe hatrany raha afindra amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-paritra kosa ny sasany ary farany dia misy koa fahefana izay iraisan’ny roa tonta. Raha ny hevitro manokana dia averina ny faritany mizaka tena.
TT : Nahoana raha miandry ny fipetrahan’ny fitondrana vaovao vao manolotra izany lalàmpanorenana vaovao izany ? Eken’ny maro an’isa amin’ny mpanao politika sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena rahateo ny tetiandro-pifidianana amin’ity 2013 ity ?
Dr Joseph : Isika rehetra no mandinika raha mbola ekena izao fanjakana tsy refesi-mandidy sy mivangongo aty amin’ny foibe ity. Anjarantsika izany no manapa-kevitra hoe rahoviana no tokony hifidianana lalampanorenana ? Amin’ny maha Dr Joseph ahy dia heveriko fa tsy maintsy miainga amin’ny fanatontosana ireo hetahetam-bahoaka nitolomana teto hatramin’izay aloha isika vao miroso amin’ny fifidianana.
TT : Resaka «bois de rose». Nanao ampamoaka ianao ary nitory ilay olona notondroinao sy mpitondra FAT hafa ny Pr Zafy. Nahoana no toa tsy misy tohiny intsony ireo ankehitriny ? Ianao aza tena mangina mihitsy ?
Dr Joseph : Ny anjarako dia ny mampiseho fa saro-piaro amin’ny harem-pirenena ny ankolafy misy ahy. Misy ny rafitra natsangana hanao ny fanadihadiana sy famotorana ifotony toy ny Bianco ohatra. Nesorina tamin’ny ministeran’ny tontolo iainana ny tenako satria ny politika sy ny fomba fitantanana nampihariko hiarovana ny harem-pirenena no tsy mety tamin’ny sasany. Izaho eto dia mbola manamafy hatrany fa ilay politika “zéro stock” nataonay no vahaolana amin’ny resaka “bois de rose”. Marihiko fa harena ahiana ho lany tamingana ny andramena ary ny tenako no nampiditra azy ao anaty lisitry ny CITES-1.
TT : Mahazo vahana ny fitsaram-bahoaka. Inona no vahaolana amin’io raha ny hevitrao ?
Dr Joseph : Tezitra ny vahoaka satria tsy manao ny asany ny fanjakana. Mandoa hetra izy nefa tsy voaaron’ny fanjakana ka lasa miaro tena. Tsy manamarina ny fitsaram-bahoaka velively aho amin’izany fa manazava ny zava-misy fotsiny. Mizara efatra anie ny andraikitry ny tetezamita dia ny fanomanana ny fifidianana, ny fanohizana ny fanatontosana ireo fifanarahana iraisam-pirenena, ny fandraisana an-tanana ireo asa maika ary farany dia ny fampandehanana ny asam-panjakana ka ao anatin’izany ny fitandroana ny fahalemana sy ny fitoniana. Tsy mifantoka amin’izany anefa ny FAT fa manangana fotodrafitrasa, hany ka sahirana isika.
TT : Ny teninao farany ary ?
Dr Joseph : Ny fitadiavana ny lalana hivoahana amin’izao krizy izao no tokony hifantohantsika rehetra : ny mpanao politika, ny tomponandraiki-panjakana, ny mpanao gazety… Misy milaza fa fifidianana no vahaolana, misy koa miteny fa ny fihaonana an-databatra boribory. Mety ho marina ireo fa tsy ampy. Amiko indray dia ny fahitana vahaolana haingana sy tsy hiverenan’ny krizy intsony no tena tokony himasoana. Izany no faniriako sy ezahana tanterahana izao mba hananantsika Madagasikara vaovao.
Nangonin’i Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.