Politique

Dr Ramandehamanana Richard Manantenana fa hivaha amin’izay ny krizy


  • Alakamisy 14 Jona 2012

“Raha ny zava-misy hitako indrindra ny faneken’izy roa lahy, Ravalomanana sy Rajoelina, ny hihaona indray hifandinika an-databatra boribory, dia nanana fanantenana ny tenako fa hisy tsy ho ela ny tena famahana ny krizy ary ho tapitra tsy ho ela ihany koa ity olana ara-politika sy toekarena ary sosialy mahazo ny firenentsika ity”.

 Izay no nambaran’ny lehiben’ny Faritra Alaotra-Mangoro, Dr Ramandehamanana Richard, raha naneho ny heviny nandritra ny resaka nifanaovana taminy tao Toamasina. “Zava-dehibe io fihaonana eo amin’izy mianaka io, satria na tiana na tsy tiana, dia izy roa ireo no fototry ny krizy teto amintsika ny taona 2009, ka raha izy ireo no manaiky hifampiresaka sy handray fepetra politika izay ho arahina antsakany sy andavany, dia izay no nilazako fa hifarana tsy ho ela ny krizy”, hoy hatrany izy. Ankilan’izany, dia nahitana fiakarany ny vidin’ny vary akotry any Alaotra amin’izao taom-pamokarana 2011 – 2012 izao, satria raha 400 Ar ny fiatomboan’ny vidim-bary ny taona zina 2011 dia tonga dia 500 –600 Ar izany tamin’ity taona ity. Tsara ny vokatra tamin’ity taona ity izay nifanindry tamin’ny fahavakisan’ny safira tao Didy. Velaran-tanimbary 35.000 ha no voavoly vary tao Alaotra tamin’ity taom-pamokarana ity ary nanodidina ny 05 taonina isaky hektara ny vokatra, izany hoe mety hisy vokatra hivoaka manodidina ny 200.000 taonina ao Alaotra amin’ity taona 2012 ity. Raha noharina tamin’ny taona lasa dia vitsy ny mpanagom-bokatra tonga any Alaotra tamin’ity taona ity, ny fanangonam-bary efa nataon’izy ireo nandritra ny fiakaran’ny varialoha sy ny resaka vidim-bary no antony, fa tsy misy hifandraisana amin’ny safira ao Didy.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT