Politique

Dr Rakotomalala Nirina “Ny miaramila no tena poizina eto”


  • Zoma 17 Aogositra 2012

Dokotera Rakotomalala Nirina, filohan’ny TIM Alemana mandalo eto an-tanindrazana dia nohararaotina nanontaniana ny heviny momba ny raharaham-pirenena.

 Tia Tanindrazana (TT) : Henjakenjam-piteny izay ianao rehefa maneho hevitra. Mpanohana sa mpanohitra ny fitondrana ianao ?

Dokotera Rakotomalala Nirina (DRN) : Miaraka amin’ny vahoaka aho tompoko. Na iza na iza eo amin’ny fitondrana dia any amin’ny vahoaka hatrany no misy ahy. Marihiko fa ny tenako no anisan’ny andry nanangana ny KMMR, ny KMSB ary ny TIM Frantsa, Alemana sy ny ankamaroan’ny TIM tany Eoropa. Ny TIM izay nanana olana kely tamiko na dia mpanangana azy aza aho.

TT : Izay eo ihany, fa toa vitavita any ilay satroboninahitry ny mpanjakavavy very. Mangina ianareo fianakaviana Taranaka Andriana Merina sa efa tsy misy intsony ?
DRN : Efa tany amin’ny andron’ny Gallieni no nokendren’ny Frantsay hopotehana ny Fianakaviamben’ny Taranaka Andriana. Maro dia maro ireo fianakaviana voavidin’izy ireo vola. Tao anatin’ny fianakavianay aza dia nisy zanaka Andriana lasa PADESM. Misy koa ny Taranaka Andriana sasany nivarotra ny taniny tamin’ny Zezoita eny Amparibe. Tondroin’ny olona molotra anie isika e ! Misy amin’ireo Ampanjaka sy Tangalamena any amorontsiraka no milaza fa isika no heveriny hatao modely nefa isika indray no mamoa-tsampona. Tongo-bakivaky sady maharary izany no mahamenatra. Ny mampalahelo koa dia “te hividy ny lohany ny sasany nefa matahotra ny masony”. Raha vao miteny hoe Andriana izany anie dia manaraka azy ao ny vahoaka. Iza amin’ireo milaza azy ho Andriana anefa no mahasarika ny vahoaka ? Ny sasany aza dia voambolana frantsay no maro ampiasainy rehefa hiteny Malagasy. Na hikabary ampahafatesana aza ve sanatria dia hatao amin’ny fiteny frantsay ? Izany no zavatra hitako eto Madagasikara. Toa miantehitra amin’ny hazo boboka ihany ny vahoaka raha miresaka ny fianakaviambe Taranaka Andriana amin’izao.

TT : Nitabataba koa ianao tamin’ny resaka Mainland sy ny fanomezana tany vahiny. Lasan’ny Karana anefa ny ankamaroan’ny tany eto an-drenivohitra fa toa mangina ianao ?
DRN :
Nijoro nilaza ny marina hatrany aho hatramin’izay. Raha olona nametrahana fitokisana no sahy hivarotra na hampanofa ny tanindrazana hanaovana voly tokana dia ho potika tahaka ny tara ny tany. Maro dia maro tokoa amin’izao ny tany voatototra ary tsy mahagaga ahy raha lasan’ny Karana, Sinoa ary vazaha izy ireny. Tadidio tsara fa izy ireo dia faly amin’izao fotoana izao fa miady an-trano ny Malagasy. Ny mampalahelo fotsiny dia samy zanaka Malagasy ireo mpitondra ankehitriny sy teo aloha nefa ny tanindrazany no amidiny. Amin’ny lalana mankany Ambohimanga izao dia Maorisianina, vazaha ary Karana no betsaka manorina trano eny. Izay toerana tsaratsara rehetra na aiza na aiza eto Madagasikra dia lasan’ny vahiny daholo. Any amin’izy ireo izany ny zanatsika no hividy tany rahatrizay. Ny “télégraphe sans fil” etsy Ivandry koa izao dia lasan’ny Frantsay mandraharaha amin’ny sehatry ny finday. Voafefy sy feno fananganana trano goavana avokoa ny tany ao. Ireo mpitondra anefa dia mangina eo anatrehan’izany rehetra izany satria voavidin’ny vola, fiara 4x4 vitsivitsy ary trano ny vavany. Tsy ny tany ihany anefa no lasan’ny sasany fa eo koa ny zotran-dalamby izay efa fananan’ny Madarail ankehitriny.

TT : Sehatra hafa indray. Tena vahaolana hanarenana ny Air Madagascar ve ny fiaraha-miasany amin’ny Air France ?
DRN :
Mandrora mantsilany isika amin’io resaka Air Madagascar io. Ny Air France sy KLM anie matoa miaraka dia tsy namokatra e ! Fanavaona kiantranoantrano fanomezana tombontsoa ho an’ny fianakaviany no nataon’i Sarkozy tao. Tahaka izany no nataon’ny Papa Katolika iray taloha. Hararaotiko ny miresaka an’izany hampitandremako fa nisy mompera italiana iray tratra nitondra volamena amin’ny kilao teny Ivato saika hoentina any ivelany. Momba ireo Airbus A340 dia marihiko fa ireny raoplanina ireny no tsy misy mpividy indrindra satria be loatra ny “kérosène” laniny. Tsy mahazo tombony ny Air Madagascar amin’ny fampiasana azy raha tsy feno 100% ilay fiaramanidina. Raha izao no fandehany dia ho lasa ohatra ny lalamby koa ny Air Madagascar, izany hoe ho lasan’ny tsy miankina.

TT : Inona no vahaolana heverinao fa hivoahana amin’ny krizy ?
DRN :
Tena mampalahelo ny hevitry ny olona momba ny Merina noho ny zava-misy ankehitriny. Vao avy any Sainte Marie izahay ary misy amin’ireo olona tafaresaka taminay no nilaza fa nantenain’izy ireo hampandroso ny firenena ny Merina rehefa eo amin’ny fitondrana kinanjo vao mainka nandatsaka lalina aza. Amiko dia mila samy mametraka ny fitiavan-tenany i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Marihiko fa tsy hanavotra ny firenena anie no hataon-dRavalomanana laharampahamehana raha tafaverina eo amin’ny fitondrana fa ny fanonerana ireo fananany simba sy may. I Andry Rajoelina koa etsy andaniny matahotra sao hanao valifaty Ravalomanana, indrindra moa raha milatsaka ity farany ka lany. Ankoatra izay dia tsy mankasitraka ny hiverenany eto mihitsy ry Pierrot Rajaonarivelo, Voninahitsy Jean Eugène ary ry Tantely Andrianarivo. Izaho aloha tsy matoky an’ireo olona ireo izay efa nisoloky firenena nefa milaza fa tsy nangalatra. Iny filohan’ny Maitso iny ihany angamba no tsy ao anatin’izay. Milaza koa i Marc Ravalomanana fa tsy nangalatra nefa avy aiza ny vola iainany any sesitany any raha tsy ireo nangoniny fony izy teo amin’ny fitondrana. ? Na izany aza dia tsy tokony hosakanana ny fiverenan’ny Malagasy an-tanindrazana satria mafy izany sesitany izany. Efa niaina izany ny tenako nandritra ny fitondran’i Resampa sy Ratsiraka. Noho ny tahotr’ireo mpomba an-dRajoelina anefa dia misy hatrany ny “NOTAM”. Raha ny resaka fitifirana olona tamin’ny 07 febroary 2009 no anenjana an-dRavalomanana dia izahay nahita na dia tany ivelany aza fa tsy avy any aloha ihany no niavian’ny tifitra fa nisy koa avy any aoriana. Ampidiro eto Ravalomanana dia tsarao amin’ny fitsarana madio sy tsy mitanila satria fantatro fa azo vidiana ny mpampanoa lalàna eto. Tsaraina tahaka azy koa ny jeneraly Dolin sy Andry Rajoelina.

TT : Ny lehibe ao amin’ny mpitandro ny filaminana sasany anie no tena tsy mamela ny fodian-dRavalomanana amin’izao e ?
DRN :
Ny miaramila no tena poizina eto. Tsy misy vahaolana izany eo raha mbola ry zareo no ao ambadika. Hiaro ny firenena amin’ny fahavalo avy any ivelany no asan’izy ireo fa tsy tokony hitsabaka amin’izay resaka politika na handrara olom-pirenena malagasy tsy hiverina an-tanindrazana. Mandoto fanjakana izany sady tsy fanajana ny lalàna velona mifehy ny foloalindahy. Mijanona any an-dakazerina ny foloalindahy fa ny sivily no manao politika. Be tsy handraofana ireo manambonihahitra ambony izay toa omena grady araka izay itiavana azy. Lasa fitaovana iarovana ny tombontsoan’olom-bitsy fotsiny izy ireo. Tsy vao izao no nandrenesana fa misy olo-maventy ao amin’ny foloalindahy. Ao koa ireo miray petsapetsa na mirotsaka an-tsehatra amin’ny kolikoly. Tsy azo afenina intsony fa anisan’ireo andrin’izao fanjakana izao ireo foloalindahy sy polisy.

TT : Amin’ny maha mpanao politika anao. Hirotsaka hofidiana amin’ny fifidianana ve ianao ?
DRN : Mivezivezy any Alemana sy eto Madagasikara ny tenako. Izany hoe tsy mbola mipetraka tanteraka eto ka izay no tsy mampety ny filatsahako. Marihiko anefa fa tsy manadino ny tanindrazako sy ny mpiray firenena amiko aho satria isaky ny tonga aty aho dia manao izay azoko atao hanampiana azy ireo. Misy ny fanolorana fanampiana isan-karazany sy ny fanamboarana fotodrafitrasa ampiasain’ny vahoaka. Hanamboatra toerana fanasan-damba eny Ambohimanga izao izahay.

TT : Ny teninao hamaranana ity resadresaka ity ary ?
DRN :
Ivavahana ny Zanahary mba samy ho tonga saina isika Malagasy ka tsy hiverina hihinana ny efa naloany indray sy hanafay ihany koa ireo mpitondra nifandimby nampijaly ny vahoaka.

Nangonin’i Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT