Tsy mbola laharam-pahamehana akory izany amnistia izany raha oharina amin’ny fampihavanana, hoy ny dokotera Rakotomalala Nirina, nandritra ny fanomezana fanohanana ireo traboina teny Ambohimanga ny zoma lasa teo.
Na hidradradradra izany amnistia izany toy ny inona eo aza, hoy ny nambarany ireo mpanao politika, dia tsy misy vanona izany raha tsy tanterahina aloha ny fampihavanana. Io ihany koa no soatoavina lehibe indrindra amintsika Malagasy, araka ny nambarany. Tsapa mantsy, hoy izy fa potehin’ireo vahiny io soatoavina io ankehitriny noho ny fikatsahan’izy ireo ny harena ankibon’ny tany sy ny haren-kolontsain’ny Malagasy. Ny hampanjaka ny zarazarao hanjakana hatrany no tadiavin’ireo vahiny ireo apetraka eto ankehitriny. Mino ny hahatanterahan’ny fiverenan’ny rindram-piarahamonina sy soatoavina tena Malagasy anefa ny Dr Rakotomalala Nirina raha ny nambarany. Izany anefa dia mitaky ny tokony hanatsaharana ny lonilony sy ny tsy fifankahazoan-kevitra politika eo amin’ny samy mpitondra ankehitriny satria fiaraha-mitantana no hevitry ny tetezamita manerana izao tontolo izao fa tsy fanilihana olona hafa sy fikatsahana tombotsoa manokana. Ilaina, araka izany, hoy hatrany ny tenany ny mametraka ambony ny tombontsoan’ny firenena sy ny vahoaka. Tsy nanadino nanao antso avo ny zanak’Ambohimanga Rova ny tenany na eto an-toerana na any ivelany mba hanome tanana ireo fianakaviana niaharam-boina tamin’ny fandalovan’ny rivodoza “Giovanna”
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.