Dr Rakotomalala Nirina

> Namelively ny Amiraly sy Camille Vital


  • Sabotsy 19 Oktobra 2013

Raha manara-dalàna ny kandidà Camille Vital sy ny tomponandraikitra eto amin’ny firenena dia tokony hilaza ny momba an’ireo fiara 4x4 miisa 350 tonga eto Madagasikara, fiara izay araka ny fantatra dia an’ity kandidà ity, hoy ny Dr Rakotomalala Nirina.

Amin’izao fotoana izao mantsy dia mijanona ho mistery ny momba ireto fiara ireto, tsy fantatra ny nanome azysy ny niaviany, ny sandany, ny takalony. Raha tombanana anefa ny vidiny dia an-tapitrisany maro mihitsy. “Sa ve ireo no takalon’ireo andramena sy volamena navoaka teto?”, hoy hatrany ity teratany malagasy mila ravinahitra any Allemagne ity. Nokianiny ihany koa ny soso-kevitry ny amiraly Ratsiraka hanangana governemanta iarahana sy ny tsy fanatontosana io fifidianana mba hahazoana vola mitentina 2 lavitrisa dolara isan-taona, mandritra ny 5 taona, avy amina namana any dilambato. “Izay vola izay, ihany koa ve, no takalon’ilay Nosy an’ny Malagasy ao akaikin’i Mozambika ?’, hoy izy. Kolikoly tsotra izao io sady manakorontana”, araka ny heviny hatrany. Miantso ny mpiray firenena ny tenany mba samy handinika lalina ka hanapa-kevitra hifidy an’izay mendrika hamerina ny fiandrianan’i Madagasikara sy ny hasin’ny firenena malagasy. Misy amin’ireo kandidà ireo mantsy ny tsy mendrika intsony ho filoham-pirenena satria ao ny nomena “amnistia” na nahazo famotsoran-keloka, ao koa ireo efa nitondra dia tokony hahatsiaro tena fa na ny biby aza rehefa voky dia mahalala mijanona.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT