Politique

Dr Rakotomalala Hary “Mila tonga saina isika vahoaka”


  • Sabotsy 24 Mey 2014

“Tsy misy fampandrosoana andrasantsika izany eto raha tsy isika rehetra mihitsy no miara-tonga saina ho an’ny firenentsika. Avy amintsika ihany no hampandroso antsika”, hoy i Dr Rakotomalala Hary mikasika ny zava-misy eto Madagasikara.

 Hatreto anefa araka ny nambaran’ity mpitsabo ity dia lasan-ko vavany fotsiny ilay teny “fihavanana, fifamelana, ary fifankatiavana” ka tsy gaga isika raha mbola krizy hatrany no iainana eto hatramin’izao. An-kilan’izay, raha tsy ao amin’ny tsirairay ny fifandeferana sy ny fampitsaharana ny lolom-po dia hilentika ihany isika, satria “tsy nisy izay tsy diso teto matoa mbola toy izao ny firenentsika taorian’ny niverenan’ny fahaleovantena”. Mila mahay mampandefitra ny alahelo sy ny hatezerana ny Malagasy satria tsara alain-tahaka ireo firenena nahavita izany ka nandresy ny fahantrana tao aminy, ka ny Malagasy rehetra no sahy hanoro ireo manapotika ny firenena amin’ny filazana hoe : “torotoroy fa manimba ny tany”. Tsy handroso koa anefa isika raha tsy mahay miaraka amin’ireo efa tena mandroso, hoy hatrany Dr Rakotomalala Hary namarana ny teniny.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT