Politique

Dr Rakotomalala Hary “Ho ripaka eto ny Malagasy. Ampy izay !”


  • Alarobia 07 Martsa 2012

Mikatso ny raharaham-pirenena ankehitriny. Samy manana ny fahitany izany ny rehetra. Anisan’ireny ny Dr Rakotomalala Hary izay manaraka akaiky ny raharaham-pirenena amin’ny maha olom-pirenena feno azy. Nisy ny resaka nifanaovanay taminy.

 Tia Tanindrazana (TT) : Misy fiantraikany amin’ny Malagasy ve ny krizy amin’ny fanadihadiana nataonao eo amin’ny fitsaboana ataonao isan’andro ?

Dr Rakotomalala Hary (Dr Hary) : Betsaka tokoa ny fiantraikany hitako eto. Ambany ny otrikain’ny Malagasy ankehitriny ka mora andairan’aretina ny maro. Misy vokany eo amin’ny asa atao izany sy misy voka-dratsiny amin’ny famokarana ihany koa ary indrindra misy vokany goavana amin’ny fiasan’ny saina ho an’ny mpianatra. Tsy mahagaga raha manao ny asa tsy mandreraka nefa ahazoam-bola ny sasany, anisan’ireny ny halatra, ny fanafihana mitam-piadiana ary ny fivarotan-tena.

TT : Ny zava-misy ara-pahasalamana kosa manao ahoana ?
Dr Hary : Tsy mbola nahita tazomoka nirongatra tahaka ny tamin’ity taona ity ny tenako hatramin’izay am-polon-taonany nitsaboako izay. Mirongatra be mihitsy izany noho ny loton’ny tanàna. Ny olona anefa efa tsy ampy otrikaina intsony, ka maro ny tsy mahazaka dia mamoy ny ainy, ireo avotra kosa tsy afaka mamelona ny tokantranony firy intsony na tsy afaka manao ny asany na ny fianarany ara-dalàna ihany koa. Dia vao mainka ho mafy ny miandry afaka taona vitsy. Ho ripaka eto isika mianakavy raha tsy ahitana vahaolana maika ny krizy. Ny atahorako raha mbola mitohy izao zava-mitranga izao dia ho toy ireo zava-nitranga tany Somalia sy Etiopia no hitranga eto.

TT : Mitana ny sain’ny maro ny olan’ny Capsat, nefa ireo ihany no nanampy ny FAT ny taona 2009 ?
Dr Hary : Taratry ny fijerena mitanila ny zava-misy io. Zatra nomem-be izy ireo ary zatra mampihatra ny heriny sy ny fananany basy, ka tsy mety afa-po. Voafatotry ny teniny sy ny toky nataony ny FAT dia izao no vokany. Taratry ny firenena marary sy ny tsy fahasalaman’ny manampahaizana Malagasy koa ny tsy olana eny amin’ireo SECES sy ny mpampianatra Malagasy. Ireo heverina ho mpikolo ireo manampahaizana Malagasy no mihetsika, midika izany fa tena mila mpitsabo sy fitsaboana haingana ny firenena.

TT : Ny hevitrao mikasika ny fandraisana andraikitra ataon’ny FFKM taorian’ny fialany ny taona 2009 ?
Dr Hary : Tsy miteny ny tenako hoe tara, fa tena ilaina ny fidiran’ny filoham-piangonana eto amintsika hamahana ny olana efa tena lalim-paka misy tao ankehitriny. Mila mahay mihaino ireo mpitondra ny hafatr’Andriamanitra ireo ny mpanao politika Malagasy. Efa tena reraka ara-tsaina, ara-pihariana ary ara-tsakafo ny Malagasy ka mila fifandeferana sy fifamelana.

TT : Inona ary ny vahaolana hitanao fa tokony hapetraka maika fa efa tena mijaly ny vahoaka ?
Dr Hary : Fifankatiavana, firaisankina, fifandraisan-tanana eo amin’ny samy mpanao politika rehetra milaza fa tia ny vahoaka sy Madagasikara. Ny fifonan’izy rehetra ireo amin’ny Malagasy noho ny fahotany avy, ary ny fitadiavana manomboka izao ny lalam-baovao hanatsarana ny hoavin’ny firenena. Lesona ho an’ny Malagasy rehetra koa ny zava-nitranga, ka tokony hahay handini-tena tandrify azy ny tsirairay, mba tsy hiroboka amin’ny fitiavan-tena, fandrombaham-pahefana ary ny tia kely ka miteraka izao olana saro-bahana izao.

Nangonin-dRakoutou

Sary : Dr Rakotomalala Hary

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT