Politique

Dr Rakotomalala Hary «Efa tena lavitra an’andriamanitra ny mpitondra antsika»


  • Talata 11 Septambra 2012

«Ny feom-bahoaka no lazaina fa feon’Andriamanitra. Tsy izay anefa ny eto amintsika fa ny vahoaka efa mitalaho, mitaraina, tsy mandry fahalemana, maty misy mamono, mijaly, noana, marary…fa tsy misy mpitondra mihaino mihitsy fa ny tiany sy ny eritreretiny ary ny rendrarendrany ihany no ataony».

Izay no nambaran’ny Dr Rakotomalala Hary mikasika ny zava-misy eto amintsika ankehitriny ity. Nahitsy fiteny aza izy fa «fitondrana tsy matahotra an’Andriamanitra ny FAT, na milaza sy hita fa mba mivavaka ihany aza. Tsarovy anefa fa Andriamanitra dia mijery midina fa tsy miakatra akory, ka hitany eo foana ny tena atao na afenina aza, satria tsy ny lohasaha mangina no jerena fa ilay Andriamanitra ao an-tampon’ny loha». Amin’ity mpitsabo mpanaraka akaiky ny raharaham-pirenena ity, dia «aza gaga isika mianakavy raha hirongatra eto tsy ho ela ny aretin’ny tany mahantra izay nandripaka olona maro tamina firenena miady an-trano sy ara-politika ary mampijaly vahoaka toa antsika izao. Isika izao no anisan’ny mitana ny rambony amin’ny fahantrana eran-tany nefa tsy mampiraika ny mpitondra mba handefitra ny raharaha misy».

Nolazaina ihany koa fa «ny raboka, ny tazo, ny habokana…dia hirongatra tsy ho ela ireo. Efa hitantsika ny tazomoka izao fa mandripaka olona maro ka ny tsy fahampiana hery noho ny tsy fihinanana sakafo ara-dalàna sy tsy be kaloria ary tsy misy vitamina noho ny sakafo tapa-kibo izao ity, dia tsy maintsy hahazo vahana ireo aretin’ny tany mahantra ireo. Ny olona koa noho ny adin-tsaina dia misotro toaka be sy miditra amin’ny fidorohana zavamahadomelina ary miaina amin’ny toerana tsizarizary».

Nambaran’ny Dr Rakotomalala hatrany koa, fa «efa tsy mifidy taona intsony ny aretina tosi-dra eto amintsika, tsy ny antitra efa mamoy fo no tena voany, fa ny tanora miady saina amin’ny hoaviny sy ny fiainany atsy ho atsy, satria dia manomboka amin’ny 19 taona hatramin’ny 30 taona izao dia efa miaina anaty aretina tosi-dra ny tanora malagasy, izay tena ao anatin’ny taona hikatsahany ny hoaviny amin’ny fianarana sy ny asany rahatr’izay». Ankoatra izay, nanipy hevitra ity mpitsabo mpanaraka vaovao politika ity. Mahaiza mijery isika Malagasy ampijaliana ankehitriny ity, ka tsy hanaiky horebirebena amin’ny haitraitra sy ny fitarihana amin’ny tsy fanao intsony. Raha tonga ny fifidianana dia jereo tsara ireo mpampijaly antsika ireo, ka hofaizintsika tanteraka fa tsy mitsinjo ny taranaka malagasy sy ny taranany ihany koa, hoy hatrany ny Dr Rakotomalala Hary.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT