Politique

Dr Rakotomalala Harry “Teren’ny GIC-M hikorontana ny Malagasy”


  • Alarobia 17 Jolay 2013

Nampiaka-peo manoloana ny fihetsik’ireo mpandamina ny krizy Malagasy ny Dr Rakotomalala Harry, Malagasy mpanaraka vaovao politika sady mijoro milaza ny marina amin’ny maha mpiaro ny osa azy.

Nambarany fa “teren’ireo vahiny ireo hikorontana sy hifamono Malagasy amin’izao fihetsika sy fanerena ny Malagasy manan-jo tsy hirotsaka hofidiana izao”. Nametra-panontaniana ny Dr Rakotomalala Harry fa “raha misakoroka sy mifamono eto ny Malagasy dia amin’ny tombontsoan’iza izany ? Ka eo no tokony hahatonga saina ny Malagasy fa misy dikany io zava-misy manomboka maresaka eo anivon’ny tafika io sy izao firongatry ny tsy filaminana sy fiparitahan’ny fitaovam-piadiana mahery vaika izao”. Amin’ny Dr Rakotomalala Harry dia tsy tokony hitsabaka fa ho mpiara-miombon’antoka amin’ny famahana ny krizy ny vahiny, ary mila manana olom-boafidy hitondra azy amin’ny fampandrosoana amin’izay ny Malagasy fa tsy tokony hosakanana amin’ny fiarovana tombontsoa ny safidin’ny Malagasy… Raha tsy nahavita ny GIC-M dia tokony hiandry ny hetsika ataon’ny FFKM indray izy ireo.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT