Niteraka adihevitra teo amin’ireo olom-pirenena mpanara-baovao politika ny fihetsika sy fanerena amin’ny fanovana ny mpikamban’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana na CES.
Ho an’ny Dr Rakotomalala Harry dia “manala baraka ny mpitsara Malagasy ny fanovana ireo mpikamban’ny CES, satria midika avy hatrany fa mitombina ny kolikoly sy tsy fanajana lalàna ataon’ny mpitsara, nefa mpitsara ambony manana ny hasiny sy lanjany ary ny fahaizany no notendrena tao. Miteraka ahiahy sy tsy fahafaliana ary fanambaniana ny mpitsara Malagasy ny fihetsika toy izao ka tsy maintsy hiteraka fanankianana havaivay eo anin’izy ireo tsy ho ela”. Nambaran’ny Dr Rakotomalala Harry fa “na hiova aza ireo mpikamban’ny CES ireo dia tsy ampiova ny didy efa nivoaka izany noho ilay didy tsy azo ivalozana. Ho lasa lalàna fankan-tahaka eo amin’ny fitsarana Malagasy mantsy ny zava-misy eo raha tsy mitandrina ny mpanao politika ka ho sahirana ny mpitsara Malagasy atsy ho atsy, satria ny fehezan-dalana mihintsy no ho voakitika”.
Nilaza ny Dr Rakotomalala Harry fa “ny didy efa nivoaka no tokony harahina, aleo hirotsaka ireo efa nekena fa tsy tokony hisy sakanana, satria olon-kendry ny namoaka azy, ka ho hita eo ny tena mpanakorontana, ho hita eo koa iza marina amin’ireo mpanao politika ireo no mamim-bahoaka sy tian’ny vahoaka marina”. “Jereo ny firenena Maliana izay nitranga fanonganam-panjakana sy tetezamita taoriantsika, nefa ry zareo indray ity no mahavita fifidianana mialoha ary tsy nisy fanakihanana sy fanilihana kandida fa novitainy ny azy”, hoy ny Dr Rakotomalala Harry namarana ny fanazavany.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.