Politique

Dr Rakotomalala Harry «Mahalala ny vahoaka fa tsy bado akory»


  • Alatsinainy 28 Novambra 2011

Naneho ny heviny mikasika ny raharaham-pirenena misafotofoto ankehitriny izao ny Dr Rakotomalala Harry.

 Nambaran´ity mpitsabo ao Toamasina ity, fa «mahalala fa tsy bado ny vahoaka, ka aza fitapitahina. Raha fantatrareo fa tsy ho azo ny fankatoavana iraisam-pirenena mba hamahana ny famatsiam-bola vahiny, dia mahaiza manaja tena miala !». Nohamafisiny ihany izay teniny izay ka nilazany fa «misy fetrany ny fahazakan´ny Malagasy izao krizy iainany izao, ka ho sahirana ireo mpitondra ireo raha mbola miziriziry eo». Ho an´ny Dr Rakotomalala Harry kosa, dia tsy olana ny fahatongavan´ny amiraly Ratsiraka satria Malagasy izy ary efa niala an-tanindrazana ihany koa. Nolazainy hatrany fa amin´ny maha ray aman-dreny azy dia rariny raha mitondra ny anjara birikiny amin´ny famahana ny krizy sy ny olana ary ny fahoriam-pirenena izy.

Nambarany hatrany fa «misy dikany ireny fanaovany paompy vao tonga ireny, satria raha amin´ny maha miaramila azy, dia midika sazy ny toy ireny, nefa avy eo nampiseho fifankatiavana sy fihavanana ny tenany, satria Ravalomanana no niresahany voalohany ary fangatahana famoahana gadra politika no nangatahany, ankoatra ny fandevenany ny sabatra sy ny lefona fa tsy hiady intsony izy fa hanolo-tanana hampandrosoana an´i Madagasikara anaty lavaky ny fahantrana». Tsy nisalasala koa anefa ny Dr Rakotomalala Harry nanakiana ny fitsabahan´ny Frantsay amin´ny raharaham-pirenena, amin´ity mpitsabo ity dia «mahatonga ny raharaha tsy mety hivaha sy mampisy ady tsy mety hifarana eto ny fidiran´izy ireo be loatra amin´ny raharaha politika malagasy, na ny filohan´ny FAT aza efa zary ho saribakoly mihitsy noho ny ataon´izy ireo.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT