Politique

Dr Rakotomalala Harry Efa mihinana ny tsy fihinany ny Malagasy


  • Alarobia 19 Septambra 2012

Naneho ny heviny mikasika ny herintaonan’ny tondrozotra ny 16 septambra 2011 – 16 septambra 2012 ny Dr Rakotomalala Harry anisan’ny mpanaraka ny toe-draharaha sy vaovao politika.

 Aminy dia “tsara iny tondrozotra iny raha nampiharina araka ny voalaza sy ny voarakitra ao anatiny. Tsy nanaotao foana ny nandrafitra azy iny fa efa nandinika lalina matoa roa taona taorian’ny fanonganam-panjakana nitranga ny taona 2009 vao nahita iny nifanarahan’ny maro an’isa iny. Ny olana amin’ilay tondrozotra izao dia ny fanahiniana amin’ny fanaratsiana azy sy ny tsy fanarahana ny voarakitra ao anatiny amin’ny antsakany sy andavany. Misy mantsy mahita tombontsoa amin’ny fitohizan’ny krizy amin’ny fanangonan-karena eto, ka faly izy ireo raha mitarazoka ny olana nefa ny Malagasy efa mihinana ny tsy fihinany sy miaina ao anaty tsy filaminana ary mitaintain-dava toa sahobakaka ambodiriana isan’andro”.

Nanome soso-kevitra kosa anefa ny Dr Rakotomalala Harry mikasika ny olana iniana tsy vahana eto amintsika io, ka nilazany fa “raha manohy ny fitiavan-tenany ny mpanao politika, indrindra ireo mahita tombontsoa ao anatin’ny krizy, dia anjarantsika vahoaka no mampiseho ny fiarovantsika ny fananantsika sy ny firenentsika ary ny harentsika. Tsy ireo mpanao politika tsy tia tanindrazana ireo akory no hanapotika ny tanindrazantsika eto amin’ny firaisana tendro amin’ireo tambajotra na mpanagalatra miaraka aminy ireo. Tsy valifaty akory no atao, fa ny fiverenana amin’Andriamanitra, ny fahatsapan-tena, ary ny fampisehoana fa isika vahoaka no tompon’ny fahefana fa tsy ireo olom-bitsy ireo”.

Rakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT