Manohitra ny fandroahan’ny Fanjakana an’i Dr Rakotomaharo Tsinjo, tsy ho mpiasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny mpiara-miasa aminy.
Endrika fanaovana tsindry hazo lena ny mpitarika sendikaly izao, ary koa fitsabahan’ny fanjakana amin’ny fitantanana ny kaominina.
Filohan’ny sendikan’ny mpiasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (SMKAR) i Dr Rakotomaharo Tsinjo. Nandefasan’ny minisiteran’ny asam-panjakana taratasy izy ny 2 mey 2016 fa tsy mpiasam-panjakana eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra intsony, ho fampiharana ny tapaky ny Filankevitry ny fitsipi-pifehezana (CODIS) eo anivon’ny minisiteran’ny Asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy tamin’ny 2015.
« Mampiahiahy ny taratasy fandroahana ahy », hoy Dr Tsinjo. Navoakan’ny praiminisitra tamin’ny alalan’ny minisitry ny Asam-panjakana Maharante Jean de Dieu tamin’ny 8 aprily 2016 ny taratasy. « Praiminisitra izy io voalaza io ? », hoy Dr Tsinjo, satria niaina tao anaty safotofoto ny firenena tamin’io 8 aprily 2016, nanoloana iny resabe momba ny fametraham-pialana sy fanendrena praiminisitra iny.
Mametra-panontaniana ihany koa i Dr Tsinjo, maninona no fanapahan-kevitra efa tamin’ny volana oktobra 2015 no aty amin’ny volana mey 2016, fito volana aty aoriana vao ampiharina ? Ny fijoroako, amin’ny maha mpitarika sendikaly ahy, nanohana ireo mpitarika sendika ao amin’ny Air Madagascar, tarihin’i Rado Rabarilala, nentina teny amin’ny Fitsarana no niampangan’ny Filohan’ny delegasiona manokan’ny tanànan’Antananarivo Kolonely Ramiaramanana Joseph ahy amin’ny tsy fahatongavana niasa sy hoe tsy fanajana lehibe. Fiampangana izay nitombo an-dalana ka tafakatra sivy rehefa niakatra CODIS tamin’ny 21 jolay 2015.
Mahaleotena ara-pitantanana ihany koa ny kaominina, amin’ny maha vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana azy ka inona no itsabahan’ny Fanjakana amin’ny fitantanana ny mpiasan’ny kaominina, hoy hatrany i Dr Tsinjo.
Milaza ny tsy hipetra-potsiny manoloana izao ambarany fa fandroahana tsy ara-drariny sy tsy ara-dalàna izao ity mpitarika sendika ity, ka hitondra ny raharaha any amin’ny Fitsarana hitaky ny fanafoanana io fanapahan-kevitra io.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.