Nahanton’ny Filankevi-panjakana, araka ny didy nivoaka omaly,
didim-pitondrana laharana 8816/2016 navoakan’ny minisiteran’ny Asam-panjakana sy ny Asa ary ny lalàna sosialy tamin’ny 8 aprily 2016 mandroaka tsy ho mpiasam-panjakana ao amin’ny Kaominina Antananarivo intsony an’ny Dr Dr Rakotomaharo Tsinjo. Midika io fa dia “manohy ny asa fampandrosoana ho tombontsoan’ny besinimaro ny tenako”, hoy ity Filohan’ny sendikan’ny mpiasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (SMKAR) ity.
Ny 2 mey 2016 no nandefasan’ny minisiteran’ny asam-panjakana taratasy i Dr Rakotomaharo Tsinjo fa tsy mpiasam-panjakana eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra intsony, ho fampiharana ny tapaky ny Filankevitry ny fitsipi-pifehezana (CODIS) eo anivon’ny minisiteran’ny Asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy tamin’ny 2015.
Nanohitra io fandroahan’ny Fanjakana azy io ny mpiara-miasa tamin’i Dr Rakotomaharo Tsinjo. Endrika fanaovana tsindry hazo lena ny mpitarika sendikaly izao, ary koa fitsabahan’ny fanjakana amin’ny fitantanana ny kaominina.
Tetsy an-kilany, nilaza ny tenany fa « Mampiahiahy ny taratasy fandroahana ahy ». Navoakan’ny praiminisitra tamin’ny alalan’ny minisitry ny Asam-panjakana Maharante Jean de Dieu tamin’ny 8 aprily 2016 ny taratasy. « Praiminisitra iza io voalaza io ? », hoy Dr Tsinjo, satria niaina tao anaty safotofoto ny firenena tamin’io 8 aprily 2016, nanoloana iny resabe momba ny fametraham-pialana sy fanendrena praiminisitra iny.
Mametra-panontaniana ihany koa i Dr Tsinjo, maninona no fanapahan-kevitra efa tamin’ny volana oktobra 2015 no aty amin’ny volana mey 2016, fito volana aty aoriana vao ampiharina ? Ny fijoroako, amin’ny maha mpitarika sendikaly ahy, nanohana ireo mpitarika sendika ao amin’ny Air Madagascar, tarihin’i Rado Rabarilala, nentina teny amin’ny Fitsarana no niampangan’ny Filohan’ny delegasiona manokan’ny tanànan’Antananarivo Kolonely Ramiaramanana Joseph ahy amin’ny tsy fahatongavana niasa sy hoe tsy fanajana lehibe. Fiampangana izay nitombo an-dalana ka tafakatra sivy rehefa niakatra CODIS tamin’ny 21 jolay 2015.
“Mahaleotena ara-pitantanana ihany koa ny kaominina, amin’ny maha vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana azy ka inona no itsabahan’ny Fanjakana amin’ny fitantanana ny mpiasan’ny kaominina ?”, hoy hatrany i Dr Tsinjo.
Nitondra ny raharaha teny amin’ny Filankevi-panjakana izy nitaky ny fampihantonana sy ny fanafoanana io didim-pitondrana io, dia izao nahazo rariny izao izy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.