Sesilany ankehitriny ny fanehoan-kevitra taorian’ny namoahan’ny CENIT ny datim-pifidianana ny alarobia 01 jolay teo.
Ho an’ny Dr Raharijaona dia mazava ny heviny. «Tsara iny fanambarana iny satria voafaritra mazava izany ny fifaranan’ny tetezamita». Etsy andaniny dia nanamarika ity mpanao politika ity fa mbola misy zavatra tsy mazava amin’izao fotoana satria mbola hita taratra fa mandeha ila ny fitantanana ny tetezamita. Nambarany fa izay tian-dry zalahy (FAT) ihany no ataony. Aminy anefa dia tokony hivoaka avokoa aloha ny gadra politika nogadrain’ny FAT nandritra izay nitantanany izay ary sokafana avokoa ireo haino aman-jery nakatony, mba ahafahan’ny olona mandanjalanja tsara sy ahazoan’ny Malagasy vaovao marina eto amin’ny firenena, ary koa hampifandanja ny hery politika eto Madagasikara. Nambarany ihany koa fa tsara ny fanaovana ny fifidianana filoham-pirenena mialoha ny fifidianana rehetra satria izay no nisy olana teto Madagasikara ary izy ihany koa no mpanatanteraka sy mpitarika ny firenena eto sy any amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Raha ilay fanaovana ny fifidianana solombavambahoaka iny mantsy aminy dia karazana hevitra ambadika sy nifono tetika maizina kasain’ny mpomba ny fitondrana ihany. Nohamafisiny anefa fa na dia io fifidianana filoham-pirenena io aza dia mbola tantara be satria mety hiteraka olana ihany koa raha tsy mipetraka tsara ny mazava sy mangarahara satria mbola ny mpomba ny fitondrana avokoa no nanao ilay lalam-pifidianana, ka mbola atahorana ny tena hampangarahara ny fifidianana raha tsy hisy fanitsiana izany. Naneho hevitra ihany koa izy fa mila atao maika ny fampihaonana ny filoha Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina satria izy ireo no fototry ny olana eto Madagasikara.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.