Mampiantso ireo kandida telo iangavian’ny sehatra iraisam-pirenena hisintaka, dia i Andry Rajoelina, Lalao Ravalomanana ary Didier Ratsiraka miampy an-dry zareo CENIT mba hiaraka hidinika ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy (FFM) sy ny Komity manara-maso ny fampiharana ny tondrozotra (CSC) ary ny foloalindahy.
Anio tolakandro etsy amin’ny Carlton no voatondro hanaovana azy io, raha ny fampilazana omaly. Misy ny hamehana raha ny fahitana azy saingy mampametra-panontaniana ihany ny nampiaraka tampoka an’ireto telo tonta ireto mampiantso ireo raha tsy hoe voairaka angaha ! Andrim-panjakana voatondron’ny tondrozotra hajoro ny FFM sy ny CSC. Io tondrozotra mametraka azy ireo io koa dia milaza mazava ny tokony hampiharana ny andininy faha-16, faha-17, faha-20. Mbola feno gadra politika anefa any am-ponja, tsy mivoha mandrak’ity ny anio ireo haino aman-jery nakaton'ny FAT ary ny sesitany politika mbola any ivelany. Koa vitan’ny CSC ve ny asa takian’ny tondrozotra sy anirahan’ny lalàna azy no mihaino ny vavan’ny vahiny izy ireo ?
Ny hampihavana no iraka voalohany ampanaovin’ny tondrozotra sy ny lalàna ny FFM, ka inona no anavahany kandida telo amin’ny maro hiatrika ity dinika ity. Raha hamory ihany ve izy tsy ireo mpanao sonia ny tondrozotra no itodihany ? Fa ny mahita ireto avy amin’ny foloalindahy no mahavaka ny saina. F’angaha manao politika indray, nefa vao iray volana lasa izay no nanao fanambarana nipoapoaka fa sady tsy miandany no tsy manao politika ? Manaraka izay, manana lehibe mpifehy azy ny minisitra dia ny praiminisitra izany, koa nifampierana tamin’ity farany koa ve ny niraisan’ireo minisitra latabatra tamin’ny filohan’ny FFM sy filohan’ny CSC sa hevitr’izy ireo manokana ? Ny foloalindahy, tsiahivina ihany, dia natao hanatanteraka baiko hampihatra lalàna. Efa lalàna ny tondrozotra, lalàna natao hotanterahina ihany koa ny fanapahana navoakan’ny CES tamin’ny 03 mey mandidy ny hialan’ireo kandida manampahefana amin’ny toerany sy ny andraikiny vantany vao navoaka ny lisitr’ireo kandida, ka nampiharina io lalàna io sa nojerem-potsiny ?
Ny FFM sy CSC ary ny foloalindahy koa ve izany lasa rafitra ambonin’ny andrimpanjakana misy eto amin’ity firenena ity ? Raha hanapa-kevitra izy ireo hampihemotra ny fifidianana na hanilika kandida dia hatraiza ny lanjan’izany ? Sao mba fampisavororoana saim-bahoaka fotsiny izy ity, ka ho antso an’efitra fotsiny ny azy ireo fa tsy hisy hanoina, na hisy hanoina fa ho mpijery sy mpihaino fotsiny izay ho eo !
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.