Politique

Dr Kolo Roger Olom-baovao, te hanova


  • Zoma 22 Martsa 2013

Toerana famolavolana kandida filoham-pirenena ve any andafin’ny riaka any sa ny fitiavan-tanindrazana no tena mipololotra ao anaty ka manosika ireo Malagasy niasa na nila ravinahitra tany ivelany tany hirotsaka hofidianana filoham-pirenena ?

 Mipetraka ny fanontaniana manoloana ny hamaroan’ireo Malagasy mpila ravinahitra tany ivelany tany nanambara fa hiroso hifaninana hofidiana filoham-pirenena. Eo Atoa Rajemison Rakotomaharo, izay Ambasadaoro malagasy taloha tany Soisa sady solontena maharitra teo anivon’ny Firenena Mikambana tao Genève. Vokatry ny nanambarany ny filatsahan-kofidiany tamin’ny jolay 2012 no nanesoran’ny mpitondra FAT azy tamin’io andraikitra tany Soisa io. Efa nilaza fa kandida koa ny Dr Jules Étienne Rolland rahalahin’ny praiminisitra taloha Francisque Ravony, toy izany koa i Patrick Raharimanana filoha mpanorina ny «Vitatsika io» ary vao omaly ny Dr Kolo Roger, rahalahin’ny senatera Arema teo aloha Kolo Roland, no nanambara ofisialy ho ren-tany ren-danitra teo anatrehan’ny olon-tsotra, solontenam-pikambanana sy filohan’antoko ary mpanao politika  avy amin’ny lafivalon’ny Nosy tonga maro nameno trano tao amin’ny Carlton fa kandida filoham-pirenena. Dokotera ny tenako, hoy i Kolo Roger ka tsy afaka hijery imaso ny aretina mahazo ny fireneko. Mila fanavotana ny fahantran’ny Malagasy, ny fanarenana ny toekarena, mila fiarovana ny Malagasy manoloana ny tsy fandriampahalemana, mila fanamafisana ny firaisankinam-pirenena izay efa tandindomin-doza, mila vahaolana maika izao krizy izao, hoy ity zanak’i Menabe ity. Matoky ny tenany fa na tratran’aretina samihafa aza ny firenena dia “tsy natao hahavery fanantenana izany satria matanjaka i Madagasikara”. “Vitatsika io !”, hoy ny Dr Kolo Roger, izy izay tonga toy ny olom-baovao, te hanova ny fomba fitantanana sy ny fitondrana firenena ary ny fanaovana politika amin’ny ankapobeny izay manome lanja ny olombelona.  Mirotsaka amin’ny anaran’ny tenany rahateo izy, ary milaza fa kandida misokatra an-kitsim-po amin’ny rehetra ary vonona hifanome tanana amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, na mbola amin’ny fotoana manaraka aza no hampahafantarany ny fandaharanasa sy ny vinam-piarahamoniny.

Asa na kisendrasendra na tena safidy ny nanaovany io fanambarana filatsahan-kofidiana ny 21 martsa io, izay daty manan-tantara eto Madagasikara satria tamin’io daty io ny 2009, efa-taona lasa izay, no nampanaovan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana fianianana ampahibemaso teo amin’ny kianjaben’i Mahamasina an’i Andry Rajoelina hitondra ny tany sy ny fanjakana ary nampisalorana samboady azy rehefa avy nanongam-panjakana, io 21 martsa 2009 io koa anefa no niandohan’ny hetsi-panoherana ny fanonganam-panjakana teo amin’ny Kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo ary mitohy mandraka ankehiriny mitaky ny hamerenana ny ara-dalàna.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT