Ny zavatra tena nisongadina tamin’ny fandalovan’ny Troika-SADC farany teo teto amintsika, hoy ny Dr Jules Andriamaholison, CST avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, dia voalaza fa adiny 5 ny fihaonan-dry zareo amin’ireo manamboninahitra tompon’andraikitra eto amin’ny tany sy firenena malagasy.
Ary dia nambaran’ny gazety moa, hoy izy, fa tsy resy lahatra ireo miaramila ireo ny amin’ny tokony hiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana. Mahagaga anay izay toe-javatra izay. Ny antony, ny filoha Marc Ravalomanana dia teratany malagasy mizaka ny zom-pirenena feno ka zony tanteraka ny miverina mody eto an-tanindrazana. Raha ny filazan’ireo tompon’andraikitra ambony mpitarika ireo, fa tsy ny miaramila sy zandary na polisy rehetra akory, dia hoe mety hitarika korontana ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana eto Madagasikara. Ho anay, hoy ny CST Andriamaholison Jules, dia tena diso tanteraka izany ary tsy mahatanteraka ny andraikitra apetraky ny vahoaka aminy ireo lehiben’ny mpitandro ny filaminana ireo. Ny anjaran’izy ireo dia hitandro izay filaminana izay tokoa fa tsy hisakana kosa teratany malagasy iray hody eto Madagasikara. Rehefa tsy vitany ny mitana ny andraikiny dia miala izy satria betsaka ireo Jeneraly sy kolonely afaka misahana izay fandriampahalemana izay eto Madagasikara. Tsy ekenay ny fanakantsakanana. Efa niantso ny lehiben’ny CMDM nialoha ny nandehanany fa tsy tokony hampidiran’ny mpanao politika resaka politika ny miaramila.
Ny fahitanay azy anefa dia mifanohitra amin’izay, fa ny miaramila no miditra lalina loatra ao. Ny antony raha ampifandraisana amin’ilay teo dia mazava fa ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana anie ka resaka politika ê ! Raha misakana izay izy dia miditra amin’ny resaka politika. Raha te hanao politika ireo zandary sy miaramila ary polisy ireo dia zony tanteraka izany fa mila apetrany ny maha miaramila azy, ny galonany indrindra indrindra fa miverina olon-tsotra dia manao tahaka ny olona rehetra. Raha te hitazona ny maha miaramila azy kosa ry zareo dia tsy tokony hitsabaka amin’ny fanapahan-kevitra politika fa ny mampihatra izay tapaka fotsiny no anjarany.
Mikasika ny fandehanan’ireo manamboninahitra any Maputo ny fahitako azy, hoy ny CST Jules Andriamaholison, dia handresy lahatra ny filoha Marc Ravalomanana no hevitr’izy ireo hoe : aza mbola miverina aloha ianao fa mety hitarika korontana. Mbola averinay, hoy ity CST ity, fa diso tanteraka izany fa aleo ny filoha hody dia anjaran’ny mpitandro ny filaminana no manao ny asany. Izahay dia matoky fa ny olona miara-dia amin’ny filoha Marc Ravalomanana dia tsy hanao korontana izany mihitsy na oviana na oviana ary efa noporofoinay tamin’ny fitsenana azy in-droa na in-telo miantoana izany fa tsy nisy na fitaratra fiarakodia iray aza vaky tamin’izany.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.