Ravana io governemanta io satria izay no antoka voalohany hahazoana fifidianana madio, hoy ny Dr Jules Andriamaholison.
Tsy misy zavatra mandeha amin’ny laoniny ny zavatra ataon’ny governemanta. Ohatra amin’izany ny fanapahana ny karaman’ny mpiasam-panjakana tamin’ny tsy misy dikany. Tokony nesorina mihitsy ny minisitry ny fitantanam-bola sy ny mpiara-miasa aminy, hoy izy. Eo ihany koa ny minisitry ny fitsarana noho ny raharaha Houcine Arfa. Nisy ny fanapahan-kevitra noraisin’ny governemanta nanesorana ny Tonia mpampanoa lalàna ambony, saingy nofoanan’ny filan-kevi-panjakana, izay midika fa tsy izy intsony io governemanta io,… Ny vahaolana dia ny fandravana governemanta, raha ny nambarany.Tsy misy mandeha amin’ny laoniny intsony raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao, fa lany andro amin’ny kajikajy politika hifikirana amin’ny fahefana ny mpitondra. Iraka ampanaovina ny governemanta ny hiaro fanjakana sy hampandany azy amin’ny fomba rehetra, fa izay resaka fampandrosoana dia resabe. Na manondrana sy manaonao foana aza ny mpikambana sasany tsy sahy kitihina sy hesorina intsony satria maro loatra ny afera maloto iraisana ao anaty fanjakana ao. Na iza iza hiteny sy hanakiana toa efa rano hatobaka an-damosin-gisa sisa izany, fa ny zava-dehibe dia ny hoe na hinon-kidona na hinon-kitranga, dia tsy maintsy hifikitra amin’ny fahefana ny mpitondra efa halam-bahoaka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.