Nanodidina ny fahasahiranam-bahoaka vokatry ny krizy noho ny fanonganam-panjakana ny fanehoan-kevitra tao amin’ny kianjan’ny Magro Antsirabe ny sabotsy 09 martsa 2013 lasa teo.
Nambaran’i Dr John iray tamin’ireo mpitarika fa anisan’ny fanesoana sy nanenjehana ny filoha Marc Ravalomanana ny fanamboaran-dalana ka nilazana tamin’izany fotoana fa lalana tsye azo hohanina.Tato anatin’ny efa-taona monja nanilihana ny filoha Ravalomanana teo amin’ny fitondrana anefa dia tsapan’ny rehetra fa tena miantraika any anaty vilany ny vokatry ny haratsian’ny lalana amin’izao fotoana. Raha ho an’ny Kaominin’i Soanindrariny manokana dia miantraika tanteraka any amin’ireo tantsaha mpamokatra paoma eto Madagasikara ny haratsin’ny lalana satria tsy misy mpaka ny vokatra ka ireo izay tonga any dia mividy mora ny paoma fotsiny amin’izay tiany hividianana azy satria tsy afaka mivoaka ireo vokatra kanefa mivarotra izany lafo avy eo. Etsy andaniny ny fiakaran’ny vidin-javatra ilaina andavan’andro nohon’ny halafon’ny saran-dalana itondrana izany ka izao vao mahatsapa fa hay azo hohanina tokoa ny lalana !
Tahaka izany koa ny any Faratsiho izay efa ambivitra ho tapaka tanteraka ny lalana makany amin’izao fotoana ary misy amin’ireo Kaominina any amin’ity Distrika ity no mitoka-monina tanteraka amin’izao fotoana vokatry ny haratsian’ny lalana. Namafisiny fa tsy mbola nisy fahoriam-bahoaka nitranga teto amin’ny firenena tahaka izao mitranga ankehitriny izao teto Madagasikara na dia nisy karazana krizy aza teo, hoy hatrany ny Dr John satria amin’izao fotoana dia taitain-dava ny fiainan’ny mponina noho ny fahasahiranana sy ny tsy fandriampahalemana ka nilazany fa izao no fotoana tokony hanambarana ny hery handrodanana ny mpanongam-panjakana izay tokony hamerenana ny toe-tsain’ny Menalamba sy ny MDRM tsy nanaiky ny fanjanahana satria amin’izao fotoana dia miseho indray ny Taranak’i Gallieni Vaovao, mitady hiverina hanjanaka ny Malagasy amin’ny endriny vaovao, ka raha samy taranaka ihany dia hafa ihany ny taranaky ny tia tanindrazana, miaro ny tombontsoan’ny maro an’isa, hoy izy namarana ny teniny.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.