Nisafidy ny hankalaza ny fetim-pirenena any ambanivohitra ny Dr Jean Louis Robinson, filoha nasionalin’ny antoko Avana sady kandida tamin’ny fifidianana filoham-pirenena niatrika ny fihodinana faharoa farany teo.
Any Ampasikely Amparafaravola izy amin’ny 26 jona. Hipaka hatrany Morarano Chrome sy Andreba Kely Sud ny fidinana ifotony ataony sady manohy ny asa sosialy amin’ny fampidirana rano fisotro madio miaraka amin’ny Madagascar-Bretagne. Mirary fety sambatra ho an’ny rehetra ny tenany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.