Politique

Dr Jean Louis Robinson Tsy kandidan-dRavalomanana aho


  • Zoma 12 Aprily 2013

Nanatitra ny taratasy filatsahan-kofidiany teny amin’ny fitsarana manokana momba ny fifidianana teny amin’ny foiben-toeran’ny HCC Ambohidahy omaly ny Dr Jean Louis Robison, 61 taona efa minisitry ny fahasalamana avy eo minisitry ny fanatanjahantena nandritra ny fitondrana Ravalomanana.

 Ny fikambanana Avana no manolotra azy, ary nomarihany fa tsy kandidan’ny ankolafy Ravalomanana tsy akory ny tenany. Nambarany kosa anefa fa tsy miady amin’iza na iza izy, ary afaka mampihavana tsara ny TIM, na ireo miaraka amin’ny ankolafy Ravalomanana io, na ireo nisintaka ka miara-dia amin-dRaharinaivo Andrianatoandro. Tsy dia nandrenesam-peo firy nandritra ny fitondrana tetezamita ny Dr Jean Louis Robinson.

Tsindraindray no ahitana azy amin’ny fanasana ataon’ireo masoivoho vahiny na sampandraharaha iraisam-pirenena eto amintsika. Tsy naneho hevitra ara-politika mihitsy izy, tsy tazana tamin’ireo fivoriana natao tetsy sy teroa na teto an-toerana izany na tany ivelany. Na ny fanambarany ny maha kandida azy aza dia nangingina fa tsy natao resabe tahaka ny an’ireo kandida hafa. Nambarany fa ny traikefa nananany nandritra ny naha minisitra azy sy ny fahitany ny zava-misy no nanosika azy hiroso lalina kokoa amin’ny fandraisana andraikitra ho an’ny firenena. Izy izany izao no minisitra faharoa tao anatin’ny fitondrana teo aloha kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena, satria efa kandida ihany koa Atoa Benjamin Andriamparany Radavidson.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT