Tafiditra amin’ny fanamarihana ny fetin’ny Noely. Anikizy miisa 564 mianadahy avy amin’ny ambaratonga fototra amin’ny sekolim-panjakana sy tsy miankina amin’ny fanjakana miampy ankizy 113
mianadahy avy amin’ny ambaratonga faharoa fototra ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ampasikely, distrikan’Amparafaravola no nisitraka ireo kojakoja momba ny fanabeazana avy amin’ny ben’ny tanàna Dr Jean Louis Robinson. Fiaraha-miasa tamin’ny fikambanana Vonjy Avana no nahatontosana ny hetsika. Mpiara-miombon’antoka tamin’izany ny Fondation Telma sy ny banky BOA ary ny Consulat de Malte. Nanambara ny filoha mpitantana ny fikambanana Vonjy Avana, Rtoa Marcel Robinson fa raha mavitrika tsara ny ankizy mianatra dia mazoto ny mpamatsy vola hanampy amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fanabeazana any amin’io kaominina Ampasikely io. Marihina fa efa miaraka amin’ny kojakoja samihafa toy ny penina, kahie ny “kits Scolaires” natolotr’izy ireo.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.