Politique

Dr Jean Louis Robinson Nandroso vahaolana maharitra


  • Zoma 23 Mey 2014

Manoloana ireo zavatra mampalahelo miseho eto amin’ny firenena, indrindra fa ny mahazo ireo vahoaka madinika dia naneho ny heviny i Dr Jean Louis Robinson, kandida tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo.

 Nambarany fa tokony hijery akaiky ny tsindry hazo lena sy ny mizana mitongilana nahavoa ireo Malagasy maro ny fanjakana ka anisan’ireny ny eny Ankadimbahoaka. Na inona na inona antony ara-panjakana, hoy izy dia tsy mety mihitsy ny fanendahana feno herisetra ireo ankizy, vehivavy sy ray aman-dreny lehibe tamin’ny trano fonenany tahaka ireny, isika rahateo fa ankatoky ny vanim-potoanan’ny ririnina. Mametra-panontaniana amin’ny fitondrana i Dr Jean Louis Robinson ny amin’ny hoe : atao aiza indray ireo vahoaka rava trano ireo ?

Halefa hanatevin-daharana ireo mandry amin’ny trano sachet eny amin’ny lakandranon’Andriantany sa halefa eny ambany tonelina ? Efa tsy fanairana intsony no hatao, hoy ihany izy raha nanambara ny zava-mitranga iainan’ireo mponina any atsimo ihany koa izay very trano fonenana sy fananana noho ny tsy fandriampahalemana. Tsy latsa-danja amin’izany ny manjo ireo olona very vola vokatry ny fikatonan’ny banky BICM. Notsindrian’i Dr Jean Louis Robinson fa raha ilaina dia habaribariny ampahibemaso ny tsy mety rehetra ary vonona hanolotra vahaolana mifandraika amin’izany ny tenany. Vahaolana tena maharitra narosony moa ny hoe : “ny fifandraisan-tanana ihany no fomba mahomby indrindra hialana amin’izao fahasahiranana be efa tena lalim-paka izao”.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT