Mazava ankehitriny ny vokatra tamin’ny fifidianana ben’ny tanŕna tany amin’ny kaominina Ampasikely distrikan’Amparafaravola.
Taorian’ny fanafoanana ny vokatra tao amin’ny fokontanin’Ampasindava noho ny fahitan’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ny tsy fahatomombanana teo amin’ny fizotry ny fifidianana ben’ny tanàna farany teo dia nazava ny fandresen’ny antoko Avana izay nanolotra an’i dokotera Jean Louis Robinson ho ben’ny tanàna any an-toerana. Ho an’ity farany moa dia ny fisaorana ny fitsarana no nataony voalohany raha vantany vao nandre io fanapahan-kevitra io ny tenany. Tsy vao izao tokoa moa ny dokotera Jean Louis Robinson vao nanao fotodrafitrasa tany amin’io toerana niaviany io na teo amin’ny sehatry ny fandriampahalemana sy ny fanabeazana ary indrindra fa ny tontolon’ny fahasalamana. « Tanjonay ankehitriny ny mba hametrahana ny kaominin’Ampasikely ho « commune pilote » eo anivon’ny firenena », hoy ity minisitry ny Fahasalamana sy minisitry ny fanatanjahantena teo aloha ity izay efa nilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena tamin’ny taona 2013 ity. Ny fanontaniana kely manitikitika ny sain’ny mpanara-baovao fotsiny dia ny hoe : hifindra monina any Ampasikely ve izany Dr Robinson ka tsy hipetraka eny Ambohimiandra-Antananarivo intsony satria efa ben’ny tanàna amina kaominina ambanivohitra ? Ary asa na fifanandrifian-javatra fa taorian’ny fanendren’ny filoha ireo senatera 21 no nivoaka ny didim-pitsarana manome rariny an’i Dr Robinson ka nahalany azy ho ben’ny tanàna indray.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.