Politique

Dr Jean Louis Robinson Ho kandida Ben’ny tanŕna ?


  • Alatsinainy 19 Mey 2014

Hiverina eo amin'ny sehatra politika indray i Dr Jean Louis Robinson, kandida tamin'ny fifidianana filoham-pirenena farany teo rehefa nangina nandritra ny fotoana fohy.

 Handray anjara amin'ny fifidianana kaominaly sy senatera ny antokony, araka ny nambarany. Hetsika tafiditra ao anatin'ny fanarenam-pirenena izay hiantsorohany sy ireo antoko politika miaraka aminy. Asa maika miandry azy amin'izao fiandohany izao ny hamerina ny ondry rehetra ao am-bala dia ireo antoko politika marobe manerana ny Nosy mivondrona ao anatin'ny ARD (Alliance pour la Restauration de la Démocratie), vondron’antoko izay tarihiny. Mety hilatsaka hofidiana ho Ben'ny tanànan'Antananarivo izy nefa mety handrotsaka olona ihany koa. Io no voan-dalana nentiny avy any Frantsa, dia manokana nihaonany tamin'ireo mpamatsy vola any an-toerana. Ankoatra izay dia hanohy ny fampihavanam-pirenena ihany koa ny tenany mba hisian'ny filaminana eto amin'ny firenena. Hafatra napetrak'Itompokolahy Levelo Boniface io izay tsiahivina fa nodimandry tampoka ny alakamisy alina teo, fotoana nahatongavan'i Jean Louis Robinson teto an-tanindrazana. I Levelo Boniface mantsy no filoha lefitry ny ARD raha minisitry ny fampianarana teknika tamin'ny andron'ny filoha Didier Ratsiraka kosa no nahafantaran'ny maro azy. Roso ny dian'i Dr Jean Louis Robinson sy ny ekipany, araka izany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT