Politique

Dr Jean Louis Robinson Diso manjaka loatra ny tsy fanarahan-dalàna


  • Alatsinainy 15 Janoary 2018

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny dokotera Jean Louis Robinson, kandida filoham-pirenena teo aloha sady ben’ny tanàna any amin’ny kaominina ambanivohitra Ampasikely, faritra Alaotra Mangoro

 

manoloana ny raharaham-pirenena misy ankehitriny. Nambarany  fa diso manjaka loatra ny tsy fanarahan-dalàna eto amintsika ankehitriny. Nanomboka tamin’ny tsy fanajana ny lalàmpanorenana, mitohy hatrany amin’ny fampandehanana ny andavanandrom-piainan’ny mponina. Nasiany resaka manokana ny mikasika ny fifamoivoizana any amin’iny Faritra Alaotra Mangoro iny. Tetezam-by tsy mahazaka kamiao mihoatra ny 40 taonina no noteren’ny sasany nandehanana ka potika tanteraka. Miakatra ny vidim-piainana any amin’iny Faritra iny raha araka ny nambarany hatrany, mizaka ny tsy eran’ny aina ny vahoaka, mitoka-monina ihany koa ny ankamaroan’ny tanàna. Mila ovaina izany fomba fijery tia mandika lalàna izany, hoy izy. Mila ny fandraisan’andraikitry ny fitondram-panjakana ihany koa. Ho an’ny famatsiana herinaratra, ohatra, dia nantitranteriny fa tsy tokony ho an’Antananarivo irery ihany fa ezahina hapariaka manerana ny Nosy mihitsy.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT