Dr Jean Louis Robinson

> Tonga dia sahy


  • Talata 24 Septambra 2013

Raikitra ity ! Nisokatra nanomboka tamin’ny enina ora maraina teo ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana filoham-pirenena voalohany amin’ny Repoblika faha-4, ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 24 oktobra amin’ny enina ora maraina.

Manana telopolo andro ireo kandida miisa 33 hampahafantarany ny programanasany sy vinam-piarahamonina hitondrany ny firenena ka handreseny lahatra ny mpifidy. Somary manaitra fa dia nisafidy toerana ivelan’ny renivohitra ireo kandida te hisoratena fa matanjaka sy manan-katao hanombohana ny fampielezan-keviny. Tahotra sao tsy hahavaky atody sa aleo aloha hotazanina izay hataon’ny adversera ? Any Ampefy i Hery Rajaonarimampianina, any Menabe i Saraha Rabeharisoa, eny Antanikatsaka Itaosy i Hajo Andrianainarivelo. Tonga dia vavany ka Antananarivo renivohitra avy hatrany kosa no hisantaran’ny kandida Dr Jean Louis Robinson sy ny ankolafy Ravalomanana ary ny Avana ny fampielezan-keviny. Vavaka fangataham-pitahiana amin’ilay Nahary no hanokafany azy ao amin’ny Magro Behoririka ny maraina amin’ny 10ora. Aorian’izay dia hanao rodobe hitety ireo Boriborintany enina eto an-drenivohitra ny kandida sy ny ankolafy Ravalomanana, ary hifarana eny amin’ny Magro ny dia ny tolakandro hanomezana ny toromarika sy ny fanentanana samihafa. Azo antoka fa dia hitorajofo Antananarivo anio.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT