Dr Jean Louis Robinson

> “Raha vao lany aho dia mody avy hatrany ireo sesitany rehetra”


  • Talata 27 Aogositra 2013


Kandida filoham-pirenena natolotry ny antoko AVANA

 

 

Tia Tanindrazana (TT) : Ahoana ny fijerinao ny fanapahan-kevitry ny CES iny

Dr Jean Louis Robinson (JLR) : Mampalahelo ny tahaka ireny. Amin’ny lafiny maromaro mihitsy no manahirana ny fijeriko azy. Voalohany aloha, ary zava-dehibe indrindra dia ny fahaleovantenantsika, izay hitako fa tsy mitombina ihany. Raha efa nanapa-kevitra ry zareo tamin’izany fotoana dia tsy tokony ho azo niverenana intsony izany amiko, na iza na iza hiteny, eny fa na ireo firenena vahiny aza. Faharoa, dia ny fahatsapako manokana fa misy ireo karazan’olona izay manao izay tsy hiverenan’ny Filoha Ravalomanana na ny fianakaviany eo amin’ny fitondrana. Marina fa mpifaninana mitovy izahay, fa ny faniriako dia tsotra ihany. Tsy tokony hisy ny fitongilanana fa mba efa vitan’izay lasa rehetra izay, tokony hibanjina zava-baovao ny firenena.

 

 

TT: Amin’ny maha mpiara-miasa taminy taloha ve no anananao izany hevitra izany sa zavatra hafa mihitsy ?

JLR : Tsy misy idiran’ny fiaraha-niasa taloha izany. Betsaka amin’ireo kandida ireo anie no efa niara-niasa tamiko e ! Fa amin’ny maha olom-pirenena tsotra ahy izao no ilazako an’izany. Ahoana moa no hiheverantsika ny fampandrosoana an’i Madagasikara nefa mbola tsy misy ny fifamelana marina eto amintsika ? Amiko manokana dia izany no vain-dohan-draharaha tokony himasoana voalohany. Sahiko ny manambara fa anisan’ny mpitondra nahomby indrindra teto Afrika ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny fotoanandrony.

 

 

TT : Dia inona ary no soso-kevitra entinao ankehitriny raha ireny no zava-misy ?

JLR : Izaho aloha dia sahy mijoro sy manambara fa tsy maintsy atao faran’izay haingana ny fampihavanam-pirenena. Raha ny hevitro manokana izao, vantany vao vita ny fifidianana, ka safidin’ny vahoaka ny handany ahy ho filoham-pirenena, dia mody ireo sesitany rehetra. Tsy miandry am-bolana akory, fa resaka tetiandro io, eny fa na amin’ny andron’ny fianianana ary, dia iriako raha efa manatrika izany ireo raiamandreny teo aloha rehetra. Tokony hifanome tanana mantsy isika mianakavy hiadiana amin’ity fahantrana lalina mahazo ny firenena ity.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT