Izao dia izao ! Sary nanamarika ny faran’ny herinandro teo ny nahitana ny Dr Jean Louis Robinson sy ny jeneraly Guy Ratrimoarivony izay mpifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena niara-nivavaka tao amin’ny fiangonana FJKM Imerinkasinina Fanasina, omaly, nangata-pitahiana sy tsodrano avy amin’Andriamanitra mialoha ny hiatrehana ny propagandy.
Efa fandaharam-potoana ary safidin’ny ankolafy Ravalomanana sy ny Dr Jean Louis Robinson kandidany ny ho eny Imerinkasinina. Nangataka ny hiaraka amin’izy ireo ny jeneraly Guy Ratrimoarivony. Am-pitiavana no nandraisan’iretsy voalohany izany, satria ho an’ny ankolafy Ravalomanana sy ny Dr Jean Louis Robinson tsy atao litania na iandrasana ho voafidy ny fampihavanana fa atao avy hatrany, sady mariky ny firaisankinam-pirenena rahateo izany. Marihina fa nahitana taratra ny fitohizan’ny fiombonana ny fitsofan-drano ny dokotera Robinson, nosantarin’ny Avana sy ny ankolafy Ravalomanana, satria ankoatr’ireo mpitondra fivavahana avy amin’ny fiangonana ao amin’ny FFKM dia nahitana solontena avy amin’ny fiangonana Jesosy Mamonjy ihany koa niara-nitso-drano azy tamin’ny mpitandrina tompon-toerana. Niara-niombom-bavaka sy nanotrona azy ireo teny an-toerana i Neny Lalao Ravalomanana sady zanaky ny fiangonana rahateo. Voamariky ny rehetra fa nentanim-po ary saika tsy nahaloa-peo mihitsy ny kandida Robinson Jean Louis raha namerina nisaotra ny filoha Ravalomanana noho ny fahatokisan’ity farany azy sy ireo torohevitra isan-karazany. «Tena ilaina ireny noho ny traikefa eo am-pelatanany tamin’ny fifidianana izay nandreseny hatrany», hoy ny kandida. Tsy hadinon’ny kandida koa ny nankasitraka an’i Neny Lalao Ravalomanana izay mbola vonona hatrany manampy sy manohana azy amin’ny asa rehetra miandry azy. «Any amin’i Neny ny lakile», hoy i Robinson Jean Louis.
RTT sy Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.