Politique

Dr Hery Raharisaina Tsy voatery minisitra vao manompo firenena


  • Alakamisy 24 Novambra 2011

Anisan’ireo voa mafy indrindra tamin’ny fananganana ny governemanta vaovao ny GMMR (Groupement issu de la Mouvance Marc Ravalomanana) satria samy voatsipaka ambavafo avokoa ireo minisitra telo lahy tao amin’ny governemanta Camille Vital farany.

 Tsy nisy tafaverina amin’ny toerany mantsy na i Yves Aimé Rakotoarison, minisi-panjakana misahana ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana, na i Riana Andriamandavy VII, minisitry ny fizahantany sy ny asa tanana na koa i Hery Raharisaina, minisitry ny jono sy ny harena an-dranomasina. Nilaza moa ity farany fa tsy ny toerana maha minisitra akory no zava-dehibe na koa ny maha mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita na Kongresin’ny tetezamita fa ny fikatsahana vahaolana hivoahana amin’ny krizy. Maro, hoy izy ny sehatra azo anompoana ny firenena ary aminay dia fandresen’ny vahoaka Malagasy izao dingana vita izao. “Tsy mahatsiaro tena ho nailikilika koa izahay”, hoy i Hery Raharisaina.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT