Politique

Dr Emile Ratefinanahary Ndao hiara-kientana hanova ny mpitondra !


  • Alakamisy 28 Desambra 2017

Hivalona afaka telo andro ny 2017. Nisy ny tafa fohy nifanaovana tamin’i Dr Emile Ratefinanahary Mpandrindra Nasionalin'ny OHT (Olona Hasin’ny Tany) nakana ny heviny momba ny raharaham-pirenena ankapobeny ho an’ity taona hifarana ity sy ny tomban’ny taona ho avy.

 

Tia Tanindrazana (TT) : Ny fahitanao ny raharaha amin’ny sehatra rehetra eto amin’ny firenena ?
Dr Emile Ratefinanahary (Dr Emile) :
Anisan'ireo Firenena nahazo voalohany ny fahaleovantena i Madagasikara, 57 taona izao. Nandritra izay Repoblika efatra nifanesy sy ireo filoham-pirenena nifandimby anefa dia niharatsy hatrany ny fiarahamonina ary tsy mitsahatra ny mitotongana ny fari-piainan'ny Malagasy sy ny toekaren'ny firenena. Ity farany izay ny HVM no mitantana moa dia izy no ratsy indrindra sy tsy nahitam-bokatra ary tsy mahay mitantana indrindra, izay tsy hotanisaina, fa iarahan'ny rehetra mahita sy miaina.

TT : Inona no mila atao sy ataonao hamahana izany olana izany ?
Dr Emile :
I Madagasikara anefa dia iaraha-mahalala sy miaiky fa firenena manankarena amin'ny lafiny rehetra. Ny tsy fahaiza-manao sy tsy fahampian'ny fiomanana sy fiofanana teo amin'ireo Mpitantana, satria dia olona tongatonga ho azy avokoa izy ireo, no tena antony lehibe. Noho izany dia ny fametrahana ireo izay niomana sy niofana ny hitantana firenena ho tompon'andraikitra no tsy maintsy atao. Efa maro ireo zanak'ity Firenena ity no matihanina amin'ny sehatra rehetra ka afaka tsara hampihatra ny fahaiza-manao hampandrosoana ny firenena.

Tsy maintsy ny politika no mitantana ny firenena ary tsy azo afangaro ny raharaha. Ny Miaramila dia natao hitandro ny filaminana sy hiaro ny vahoaka sy ny fananany. Ny Mpitarika fivavahana dia natao hitory ny filazantsara. Ny Mpandraharaha dia natao hanao ny asa fandraharahana. Ny Mpanao politika dia natao hitantana ny firenena araka ny foto-kevitra sy vina ary programa mifandraika amin'izany. Tsy maintsy miroso mankany amin'ny matihanina isika raha tiana ny hanova sy hanavotra ary hampandroso ny firenena.

TT: Mbola afaka manantena ny hisian'ny mangirana ho azy ve ny Malagasy ho an'ny taona 2018 ?
Dr Emile :
Taona malaza ity 2018 ho avy ity raha ho an'i Madagasikara manokana. Kihon-dalana hahafahantsika miara-mientana io ka hahasahiantsika manova ny mpitondra sy hametrahantsika ny ho Mpitantana matihanina hikatsaka ny tombontsoa iombonana, hametraka vina iombonana ho an'i Madagasikara ary rafitra mifanaraka amin'ny vaninandro ankehitriny.

TT : Teny hamaranana ny dinidinika ?
Dr Emile :
I Madagasikara an'ny Malagasy ary ny Malagasy ho an'i Madagasikara, izany no tsy maintsy apetraka eto mba tsy ho tompony mangatak'atiny isika.

Maniry sy mirary ny Malagasy mpiray tanindrazana rehetra ny tenako hahatratra ny faran'ny taona sy koa ho hahatratra ny taona malaza 2018 hiarahantsika mientana hananan'ny rehetra fanantenana ho amin'ny hoavin'ireo taranaka faramandimby.

Nangonin’i Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT