Mbola manodidina ilay fihaonan’ny roa tonta atsy Seychelles ihany aloha ny ankamaroan’ny fanehoan-kevitr’ireo mpanao politika
Anisan’izany ny an’ny Dr Ratefinanahary Emile. Nambaran’ity mpikambana CST ity fa tsy misy zavatra azo antenaina firy ho amin’ny tombontsoan’ny firenena ny fihaonan’Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Mijanona ho fihaonan’olon-droa handinihana ny mombamomba azy ireo no ilana izany sisa, ny fodian’i Marc Ravalomanana an-tanindrazana, na ny maha kandida na tsia azy ireo. Ho an’ny Dr Ratefinanahary Emile dia efa misy ny tondrozotra nahafahana namoaka ny marimaritra iraisana, farafahakeliny tsy maintsy ilaina mba hahafahana miroso.
Efa nivoaka ihany koa ny datim-pifidianana izay eken’ny Firenena Mikambana, ka inona indray moa no mbola andrasana amin’ny dinika any Seychelles. Nomarihany fa efa im-pito nihaona sy niresaka izao ny filohan’ny tetezamita sy ny filoha teo aloha, saingy tsy hita marina izay tena vokatra mivaingana ho an’ny firenena. Ny tombontsoa iombonana no tokony hojerena hoy Ratefinanahary Emile fa tsy ny tombotsoan’olon-tokana. Izy ihany koa dia mihevitra fa lojika raha kandida Atoa Andry Rajoelina, satria izy izao, no azo ambara ho “matanjaka” eto Madagasikara. Ankoatr’izay dia nampanantena fanovana tamin’ny vahoaka Malagasy izy tamin’ny 2009 ka izay no nandrodanana ny fitondrana Ravalomanana. Koa rariny sy hitsiny raha mirotsaka hofidiana filoham-pirenena i Andry Nirina Rajoelina, mba hotsarain’ny vahoaka ny fandaharan’asany. Tsy nilaza mazava ny heviny kosa ity mpikambana CST ity, raha tokony ho kandida na tsia, ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.