Politique

Dr Benessy Harrison Sebastien « Tsy mifankatia ny samy CT zanak’i Toamasina »


  • Talata 28 Febroary 2012

Natao ny sabotsy teo, tao amin´ny kianja mitafo Soavita, ny taom-baovaon´ny fikambanana FIMAMI na Fikambanan´ny Malagasy Mijoro, izay tarihan´ny CT Dr Benessy Harrison Sebastien.

 Mpikambana niisa 1.500 tamin´ireo 6.000 no niatrika izany, araka ny nambaran´ny filohan´ny FIMAMI ity. Nandritra ny lanonana no nanaovan´ny filohan´ny FIMAMI tatitra ny asa vita ny taona lasa, nilazan´ny CT Dr Benessy Harrison Sebastien fa “tratra ny ankamaroan´ny tanjona napetraka, ny fiahiana ny ara-tsosialy sy ara-pahasalamana ary ny fanampiana ireo nanana olana, indrindra ny teo amin´ny fampidirana ny mpianatra”. Nomarihany anefa fa “tsy natao hitadiavana harena na toerana ny fikambanana Fimami”; noho izany, “tsy maintsy tohizana amin´ity taona vaovao 2012 ity avokoa ny asa sosialy hatramin´izay. Anisan’ny nametraka fangatahana mba hifantenana eo anivon´ny FID ny fikambananay. Hanampy betsaka anay ny fahazoana ny famatsiam-bola io”. Ankoatra izay dia tsy adinon´ny CT Dr Benessy Harrison Sebastien ny resaka politika. “Tsy mifankatia izahay samy mpikamban´ny CT zanak’i Toamasina.

Nahoana ny olon-kafa indray no tonga mialoha nanampy ireo traboina teto amin’ny faritra, nefa mba manana solontena olom-boatendry eo anivon´ny CT ihany ny zanak’i Toamasina”. Nomarihany hatrany fa “tsy hita eo anivon´ny fivorian´ny kongresin’ny tetezamita ao Tsimbazaza aloha, ny maha samy hafa anay CT, ny asa atao ivelany no ahitana io ady mangatsiaka io. Ny filoha lefitra misahana an´i Toamasina ao anatin´izany dia tsy hita mihitsy”. “Raha tsy misy ny tena fitiavan-tanindrazana, raha mbola eo ny lonilony, raha mbola tazana ny fifanenjehana ary raha mbola misy ny ady mangatsiaka, tsy handroso mihitsy ity faritra misy antsika ity, satria samy mandeha samy mitady ny rehetra, nefa tokony ho fotoana hampisehoana firaisankina izao”, hoy ihany ny CT Benessy Harrison Sebastien, namarana ny fanehoan-keviny.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT