Dr Benessy Harison Sébastien (FIMAMI)

> “Atahorana ny faharavan’ny tondrozotra”


  • Alatsinainy 26 Aogositra 2013

Anisan’ireo kandida ho solombavambahoaka ao Toamasina ny Dr Benessy Harison Sébastien mitarika ny FIMAMI na Fikambanan’ny Malagasy Mijoro. Ny zava-misy no mampanahy azy amin’ny mety ho faharavan’ny tondrozotra, anisan’ny lalŕna mampihodina ny tetezamita. Nisy ny resaka nifanaovana taminy.

Tia Tanindrazana (TT) : Tsy mba re ny CT Benessy na eo aza ireo adihevitra sy fifandroritana politika miseho eto amin’ny firenena, inona no antony ?
Dr Benessy Harison Sébastien (Dr Benessy) : Safidin’ny mpikambana io noho ny fialan-tsasatra. Ny fiandohan’ny volana septambra izao dia hiverina amin’ny asa sosialy fanaonay izahay, ka ny lalana mampitaraina ny mponina sy efa nanaovan’ny Fokontany ao Morarano fangatahana no hosahaninay, hanaovana asa tanamaro ho fanampiana ny mpiara-belona. Tsy fisalovanana ny asan’ny Kaominina izany, fa fanampiana azy ireo.

TT : Nivoaka iny ny tetiandrom-pifidianana, inona no hevitrao kandida solombavambahoaka ?
Dr Benessy : Tsy ny tetiandrom-pifidianana no olana fa ny mety ho faharavan’ny tondrozotra izay ho sakana amin’ny fanatontosana azy. Ny faniriako dia hahavitan’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ity taona ity. Tsy maninona raha vitaina ao anatin’ny orana sy rivodoza izany na efa misy aza ny lalàna nofidian’ny Parlemanta mikasika izany. Tsy ho olana ho anay kandida an-drenivohitra ny andro, fa ireo any ambanivohitra mba ahoana ? Ny atahorana izany dia ireo kandida manam-bola sy tohanan’ny vahiny no ho betsaka lany eo ka ho loza mitatao ho an’ny vahoaka Malagasy, ka tsy ho hita ny fanovana nodradradradraina teto.

TT: Raha ny hevitrao izany dia ho vita amin’ity taona ity ny fifidianana, na eo aza ireo olana sy ny tsy fanarahana ny lalàna manan-kery ?
Dr Benessy :
Amiko dia tena hiroso io, saingy hiroso amin’ny olana samy hafa aorian’ny fifidianana. Misy ireo kandida nanao sonia ny tondrozotra te hirotsaka nefa tsy mbola nahazo famotsoran-keloka, ao koa ireo kandida nambaran’ny namany fa voailika. Ireo rehetra ireo no mety hiteraka tsy filaminana ka na hisy voafidy aza eo, dia mampatahotra ny zavatra hitranga noho ny tsy fahafalian’ireo vondrona sy ankolafy politika ireo. Mila vahana haingana izany ny olana. Mila faranana ny krizy, nefa tokony ho ao anatin’ny fanarahana an-tsakany sy an-davany ny tondrozotra nifanaovana sonia ihany ny vahaolana.

TT : Ny fandraisanao kosa ny fanambaran’Atoa Rajoelina Andry hamaranana ny dinika ?
Dr Benessy :
Te hiroso amin’ny fifidianana hamarana ny krizy Atoa Andry Rajoelina. Tsy tokony hiova hevitra toy ny fanaony anefa izy raha niteny ireny, fa izay koa no tena olana goavana teto. Na izany aza dia mila tony ny rehetra. Ilaina hatrany kosa ny fifandresen-dahatra mba tena hisian’ny fitoniana sy filaminana eo am-pidirana amin’ny fifidianana. Mbola malalaka ny lalana amin’ny fifidianana depiote sy ny Ben’ny tanàna, ka aleo manarina fa anisan’ny ianteheran’ny fitondrana koa ireo fifidianana ireo.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT