Manoloana ny ny fifidianana mihemo-dava eto amintsika noho ny fitakiana sy fitsabahan’ireo vahiny mpanelanelana dia nampiaka-peo ihany koa ireo kandida ho solombavambahoaka ao Toamasina.
“Maninona raha ny fifidianana tsy misy olana no atao sy aroso mialoha, raha mbola hifanolana amin’ireo mpiara-miombona antoka vahiny amin’ireo kandida ho filoham-pirenena ny CENIT sy ny mpanao politika. Ny fifidianana solombavambahoaka izao no hitako fa tsy misy olana hatreto ka tokony hotazonina ny datim-pifidianana mahakasika azy, dia manaraka miadana ao aoriana ny fifidianana misy olana sy hifanolanana”, hoy ny Dr Benessy Harison kandida depiote avy amin’ny FIMAMI na Fikambanan’ny Malagasy Miray ao Toamasina.
Na izany aza, nambarany fa vonona foana izy ireo na oviana no hanaovana ny fifidianana, nefa tokony hisy fifidianana iray kosa amin’ity taona ity satria mila olom-boafidy ny Malagasy. Ankilan’izay, ny kandidan’ny Malagasy Miray sy Mifankatia, Atoa Randrianiarifera Malalaniaina, ihany koa dia nilaza fa ilain’ny firenena ny hisian’ny fifidianana amin’ity taona ity, ka tokony hifandefitra, hifankatia, hifanaja ary hifamela, ny rehetra fa izay ihany no miantoka filaminana maharitra hiantoka ny fahavitantsika ny fifidianana izay efa andrasan’ny Malagasy tanteraka hialana amin’izao krizy izao.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.