Politique

Dr Bary Rafatrolaza “Misokatra amin’ny firenena rehetra i Madagasikara”


  • Alatsinainy 12 Febroary 2018

Diplaomasia mitodika amin`ny toekarena, fifandraisana amin`ny iraisam-pirenena, fanontaniana manitikitika ny maro ireo ary nanasan`ny Gazety Tia Tanindrazana ny Dr.

 

 Bary Rafatrolaza izay sekreteram-panjakana miadidy ny fiaraha-miasa sy ny fampandrosoana ara-toekarena eo anivon'ny minisiteran'ny Raharaham-bahiny raha misy zavatra azony ambara mikasika izany.

Tia Tanindrazana (T.T) : Miarahaba anao, mamonjy antsika tokoa ve ny diplaomasia ara-toekarena ?

Dr Bary Rafatrolaza (B.R) : Efa tafiditra tanteraka amin`ny diplaomasia mitodika amin`ny toekarena izao i Madagasikara ka miompana ho amin`ny fandrosoana iadiana amin`ny fahantrana. Anisan`ny nampiakatra ny endrika tsaran`ny firenentsika, ohatra, ireo fihaonana iraisam-pirenena natao teto amintsika ka anisan`ny nitondra vokatra lehibe an`i Madagasikara ny diplaomasia mitodika amin`ny toekarena sy ny fanokafam-baravarana. Tafiditra ao anatin`ny fampandrosoana ny lafiny ara-toekarena, ara-tsosialy ary koa ny fiarovana ny tontolo iainana ka izany indrindra no tanjona amin`izao hetsika fambolen-kazo izao. Anisan`ny misehatra izany rahateo ny departemanta iadidiko ary ny teny filamatra ho anay rahateo dia ny hoe ``Locomotive du developpement à travers la diplomatie economique``.

T.T : Manao ahoana amin`izao ny fifandraisantsika amin`ny any ivelany ?

B.R : Niverina ny fitokisan`ny iraisam-pirenena sy ny mpamatsy vola. Fotoana izao ny fanamafisana ny endriky ny firenena eo anolon`izao tontolo izao. Na amin`ny fifandraisana eo amin`ny samy firenena na amin`ny mpamatsy vola, hajaina sy arovana ny fiandrianam-pirenena. Maromaro ireo fifanarahana fiaraha-miasa vita sonia tamin`ny firenen-kafa ary fahombiazana avokoa ireo dinika natrehana toy ny Fihaonana an-tampony faha-30 tao Addis Abeba. Midika izany  ho fiverenan`ny fifampitokisana ny any ivelany antsika avokoa.

T.T : Tsikaritra fa toa mirona any amin`ny firenena Tatsinana ny fiarahamiasa indrindra ireo firenena kely maso, midika ve izany fa tsy misokatra firy ny fifandraisana eo amin`ny firenena Tandrefana ?

B.R: Fifanandrifian-javatra kosa angamba izany (hehy). Marina aloha fa ny firenena tatsinana no marisika kokoa hiasa sy hampiasa vola eto Madagasikara. Ny firenena Japoney no nisantatra ny fanamafisana ny fiaraha-miasa hatrizay tamin`ny 2016 ka nanaraka azy avy eo ny Sinoa tamin`ny taon-dasa ary amin`izao dia  ny firenena Koreanina Atsimo indray no avy nanao nanao fifanarahana fiaraha-miasa vita sonia amin`i Madagasikara. Izany angamba no mahatonga anareo milaza hoe mirona amin`ireo firenena kely maso ny fiaraha-miasa. Amin`ny endriny hafa kosa ny fisehoan`ny fiaraha-miasa amin`ny firenena tandrefana ary tsy midika akory fa tapaka ny fifandraisana amin`ireo firenena tandrefana kanefa misy fotoana daholo ny zava-drehetra. Madagasikara dia tsimialonjafy satria misokatra amin`ny rehetra ny fifandraisana sy ny varavarana


Marigny A. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT