Politique

Dr Andriambololona Barison Claude Lakolosy fanairana ihany iny didy fampisamborana iny


  • Alakamisy 22 Septambra 2011

Karazana lakolosy fanairana ihany iny resaka didy fampisamborana iny amiko, hoy ny Dr Andriambololona Barison Claude, TIM Raharinaivo mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza omaly.

 Inona moa no atao hoe fifanarahana ? Tsy fijerena ny marimaritra iraisana ve ka lakolosy fanairana an-dRavalomanana iny, amin’ny hoe : aza atao 100% ny fitakiana atao fa sao dia mba tokony hiresaka. Dia tahaka izany tsy misy valaka koa ny apetraka amin’ny an-kilany eo amin’ny fitondrana. Ilay andininy faha-20 voalazan’ny sori-dalana natao sonia iny, hoy izy, dia miankina tanteraka amin-dRavalomanana fa tsy amin’ny mpomba azy intsony. Izy tenany mihitsy no tokony hilaza ny heviny mazava mikasika an’iny fa tsy mila soloina vava intsony. Efa nisy ezaka nataon’ny rehetra matoa nisy ny sonia vita, hoy ity depiote TIM voafidy tao Kandreho, saingy namadika an-dRavalomanana ity. Tsy mino aho, hoy izy fa hiditra eto Ravalomanana dia hosamborina avy hatrany fa ho korontana no setrin’izany. Raha miditra amin’izao koa anefa izy tsy misy n’inona n’inona dia mbola ho korontana koa satria tsy hanaiky ireo mankahala azy. Ka amiko, hoy ny Dr Barison Claude, dia tokony hisy resaka mialoha mihitsy hatao ary handresen-dahatra ny rehetra vao miverina eto Atoa Ravalomanana.

 

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT