Politique

Dox Didier Zabofigera Taona feno hirosoana amin’ny fifidianana ny 2012


  • Zoma 06 Janoary 2012

Dingana lehibe no nataon’ny ankolafy isan-tokony tamin’ny antoko politika, hoy ny CT Dox Didier Zabofigera, nefa dingana lehibe koa no nataon’ny vahoaka niaritra ny fotoana lavabe niandry izay sitrapon’ny mpanao politika tamin’iny taona lasa iny.

 Amin’ity taona 2012 ity izay feno, dia heveriko fa ho feno ny fepetra rehetra amin’izay handrosoana. Tsy ilaina intsony ny andraso andraso amin’ny fanatanterahana fifidianana, tsy maintsy mivoaka amin’izay isika. Koa dia mirary fahombiazana ho antsika Malagasy niari-pery nandritra izay fotoana lavabe izay. Ho an’ny parlemantera manokana dia nambaran’ity CT ity fa anisan’ny goavana amin’ny zavatra hodinihan’izy ireo ny fanavaozana ny vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana na CENI sy ny lalàna momba ny famotsoran-keloka, fampihavanana. Ireny moa dia mameno ny fepetra voalazako teo hoentintsika mandroso amin’ny fananganana ny Repoblika faha-4.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT