Manatona ny datin’ny 24 jolay 2013 hanatanterahana ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Manomboka miseho masoandro indray ireo mpanao politika tsy dia re feo firy fa nilentika tany fotoana maro.
Anisan’ireny i Doudou Michel, filohan’ny fikambanana AFABE na Asa Fanabeazana ho an’ny Besinimaro. Anisan’ireo nandray anjara tamin’ny fifanakalozana mikasika ny fifidianana, niarahan’ny CENI-T tamin’ireo mpanao politika tao amin’ny Carlton ny faran’ny herinandro teo izy. Nilaza i Doudou Michel fa manohana feno ny fanambaran’ny filohan’ny CENI-T Atallah Béatrice ny amin’ny fanamby napetrak’izy ireo tsy maintsy hahavitan’ny fifidianana amin’ity taona 2013 ity. Toraka izany koa ny filazan’ny CENI-T fa tsy afaka misaraka amin’ny Firenena Mikambana isika satria tsy mahavita tena no sady tsy afaka mandeha irery. Miantso ny vahoaka tsy hiroaroa saina intsony ny filohan’ny fikambanana AFABE fa hiandry amim-pahatokiana izany fifidianana izany. Misintona ny sain’ireo mpanao politika koa i Doudou Michel mba hanampy sy hifanome tanana hanatanterahana ny fifidianana mba hiadanan’ny ambanilanitra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.