Politique

Doudou DFP sy Paolo Raholinarivo Hifampitady manombok’izao


  • Alakamisy 10 Aogositra 2017

Hametraka ny taratasy fangatahana fidinana an-dalambe sy fihetsiketseham-bahoaka ny vovonana Politika Dinika Fanavotam-Pirenena (DFP) miaraka amin’ny Herin’ny Fanovana na “Force de changement” anio 10 aogositra, raha tsy misy ny fiovana.

Tsy azo heritreretina intsony izao zavatra mahazo antsika izao ary tsy vitan’ny hitanisa fotsiny hoe mangalatra ny fanjakana, fa efa tsy rarahiany izany, hoy i Tolojanahary Maharavo na Doudou, Filohan’ny DFP. Ny olona tsy azo tapitapenam-bava fahatany ary tsy midinika amin’io intsony izahay, fa manomana olona hikomy izahay izao, hoy hatrany izy. Manoloana ny mety hanakanan’ny prefektiora ny hetsika, dia tsy fananan’ny prefe ny tanànan’Antananarivo, ka izay tiany hatao no hatao, fa tany misy lalàna io, ka rehefa handa izy dia zony izany, fa zonay ihany koa ny mampiakatra ny raharaha any amin’ny fitsarana, rah any fanambarany. Namaly bontana izany kosa I Paolo Emilio Raholinarivo, mpanolontsain’ny praiminisitra, ka nilaza fa tsy vahaolana intsony izany fidinana an-dalambe izany. Toa nanakiana manokana an’I Maharavo Tolojanahary, izay nivoaka tamin’ny sekoly ambony mpanofana ho mpiasam-panjakana mitovy aminy ihany izy, ka nilaza fa tsy tokony teknisianina nivoaka tamin’ny sekoly ambony no hitarika olona hidina an-dalambe. Nambarany moa fa mba manana ny mpanohana azy ihany koa ny fanjakana Rajaonarimampianina, saingy ho an’ny DFP kosa dia tsy misy ilana azy intsony, ary tsy handany fotoana hifandamina amin’izy ireo intsony ity vovonana ity. Raha tsy tianao ny fitondrana amin’izao, dia ny vahoaka ve no hentinao hovonoina, hoy kosa I Paolo Emilio Raholinarivo. Tsy izany no hitondranao vahoaka hifamono sy hifanimba fananana, ka na tsy mpanolon-tsain’ny praiminisitra aza aho na tsia dia tsy hitondra vahoaka hidina an-dalambe sy hifamono. Mitovitovy amin’ny fomba fanehoan-kevitr’ireo mpanohana ny fitondrana rehetra hatrany, ka rehefa misy ny fitakiana na fidinana an-dalambe noho ny tsy fankatoavana fitondrana, dia voizina hatrany ny hoe fifamonoana sy fanakorontanana? Sady tsy mihaino anefa ny fitondrana no manakam-baravarana ihany koa.


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT