Mampikaikaika ireo kandida maro ny fikarakarana ny antontan-taratasy firotsahana ben’ny tanàna amin’izao.
Velon-taraina ireo kandida tsy miankina sy mpanohitra ny fanjakana. Nandritra ny fanaterana ny dosien’ny kandida ho ben’ny tanànan’ny TIM Soavina Atsimondrano, Maurice Rakotomandimby tetsy amin’ny OVEC 67 ha dia nanambara ny tenany fa tena sarotra ny fanomanana ireo antontan-taratasy, toy ny fakana ny bileta laharana fahatelo (casier judiciaire). Fomba fiadin’ny fanjakana io satria maro be ny kandida eny anivon’ireny kaominina ireny no savolaina mihitsy manomana ny dosie. Tsy vitsy aza moa amin’ireo kandida tsy miankina no niverin-dalana tanteraka noho ny fahasarotan’ny fombafomba apetraka. Amin’izay dia ho moramora amin’ny kandidam-panjakana no hitsofoka ary maniry mihitsy izy ireo ny tsy hisian’ny mpifaninana ka ho lany mazava. Ho an’ny Kandida TIM Soavina manokana dia tsy hihemotra izy ary efa manana ny vinany amin’ny fampandrosoana ny kaominina, toy ny ezaka amin’ny fampidirana rano fisotro madio, ny fampananana asa ny tanora.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.