Maro ny tsikera mahazo ny filoha amerikanina vaovao, Donald Trump, amin’izao fotoana.
Ankoatra ny laza ho mivantambantam-piteny sy fihetsika izay efa nahafantarana azy fony tsy kandida akory, mitombo indray amin’izao fotoana izao ny vesatra hanenjehan’ny ankolafy maro azy. Ny faran’ny herinandro teo dia heno fa hisy hitory fa nanolana adolantsento vao 13 taona monja ny tenany ary mbola mitohy ihany koa amin’izao fotoana izao ny fanelezana ny mety ho fisian’ny hosoka nandritry ny fifidianana filoham-pirenena tao Etazonia ka nahalany ity kandida repoblikanina ity. Anisan’ny manitrikitrika sy mitaky izany ankehitriny ny filoha teo aloha Barack Obama. Azo lazaina ho ratsy fanombohana sy tsy marin-toerana ny filoha Donald Trump. Raha ny tombana sy ny fanadihadiana efa vita rehetra dia mizotra any amin’ny fahamarinan’ny fisian’ny hosoka tamin’ny fifidianana ny hahadifotra sy hanosika ny tanan’ity filoha ity hanao sonia ny fametraham-pialany mialoha ny fotoana. Nitovitovy amin’izao ny nanjo ny filoha Bill Clinton tamin’ny fotoan’androny raha tratran’ireo Paparazzi nangala-pitia tamin’ny mpiara-miasa taminy, Monica Lewinski izy. Asa ny eto amintsika, inona re no mba mety ho henatra hahatonga azy ireo hanaja tena hametra-pialana e ? Ny zava-misy aloha, na efa miharihary aza ny fahafaham-baraka sy ny tsy fahombiazana dia ny fidongiana seza hatrany no mibahana.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.